Nanolotra ny Volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2026, na ny PLFR 2026 teo anivon’ny Antenimierampirenena ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Ramaherison Herinjatovo Aimé, omaly. Tombanana ho 3,8 % ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena amin’ity taona ity, raha 4,8 % izany tao anatin’ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana voalohany ho an’ny taona 2026. Nesorina ny TVA 20% izay nampiharina tamin’ny zanabolan’ny banky, mba hanamaivanana ny vesatry ny orinasa. Hisy ezaka hampitomboana ny vola miditra amin'ny Fanjakana. Kendrena ny hahazoana 130 miliara Ariary avy amin’ny fadintseranana ary 155 miliara Ariary avy amin’ny hetra anatiny. Kasaina hampiharina ny haba 20% amin’ny vary hafarana, mba hanohanana sy hiarovana ny tantsaha mpamokatra vary eto an-toerana. Etsy ankilany kosa, hahena ny hetra amin’ny fanafody famonoana ahi-dratsy, mba hampihenana ny vidim-pamokarana eny amin’ny sehatry ny fambolena. Anisan’ireo sehatra hahazo fanohanana ao anatin’ity tetibola nasiam-panitsiana ity ihany koa: ny sehatry ny angovo, ny fanarenana aorian’ny rivodoza, ny fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana, ary ny fampitomboana ny fahefana sy ny tetibola eny ifotony. Laharam-pahamehana ihany koa ny fanomanana ny fifidianana sy ny fikarakarana ny dinika nasionaly.
Nangonin'i Jean D.
Ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Ramaherison Herinjatovo Aimé nanolotra ny PLFR 2026 teny Tsimbazaza omaly