hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy nanoloana ireo loholona omaly 20 jona tetsy Anosikely. Nambara fa na malalaka aza anefa ny tsena dia tsy midika izay fa hoe tsy tokony hisy ny fitiavan-tanindrazana amin’ny fitsinjovana ny tantsaha mpamokatra ny lavanila. Nilaza io Minisitra io fa ny anjaran’ny Fanjakana malagasy sisa dia ny miantso ny mpandraharaha sy ireo mpisehatra rehetra mba hitsinjo ny tantsaha “tsy hahafaty antoka ny tantsahantsika”. Fanavaozana nentina hiarovana ny tantsaha mpamokatra sy hampidirana ny vola vahiny araka ny tokony ho izy moa ny nametrahana ny famerana ny fanondranana lavanila ho 250 dolara ny iray kilao ary 75 000 Ar ny kilao amin’ny lavanila maitso. Natao izany fanavaozana izany mba tsy hitotongana ny vidin’ny lavanila malagasy. Nanapa-kevitra koa anefa ny mpandraharaha mpanondrana sy mpisehatra amin’ny lavanila fa ho alalahana ny fanondranana ny lavanila ka esorina ny 250 dolara vidy ambany indrindra. Na inona na inona anefa hambara momba ny lavanila, tsy voafafa ny famitaham-bahoaka tamin’ny 2018 nataon’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina nampanantenana fa hakarina avo telo heny ny vidin’ny lavanila izay manodidina ny 600 dolara tamin’izany ka asa nitotongana avo firy heny no niseho ? Momba ny seha-pihariana jirofo kosa, nambara fa nahitana fahombiazana tanteraka izany tamin’ity taona ity satria tafakatra 40 000t ny vokatra raha 25 000t talohan’io. Nahatratra 224 tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ny fanondranana jirofo. I Madagasikara no mitana ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny fanondranana io jirofo, raha faharoa isika amin’ny famokarana aorianan’i Indonezia. Mitana ny laharana voalohany ihany koa i Madagasikara amin’ny “Cacao fin 100% aromatisé”. Nahazo medaly volamena iray sy medaly roa tamin’ny fifaninanana natao tany Londres isika. Tsy ela akory izay fa ny 12 sy 13 Jona 2023 dia nandray ny fivoriam-be iraisam-pirenena Panel cacao fin (Kakao tsara kalitao indrindra). Tonga teto mihitsy ny manampahaizana 12 maneran-tany momba ny kakao sy ireo solontenan’ny firenena mpisehatra amin’ny kakao. Momba ny Tetik’asa ODOF (One district one factory) na Taninketsa indostrialy koa, efa distrika 20 latsaka kely no efa nisitraka, 75 ireo milina nafarana tamin’ny volantsika malagasy madiodio ary efa tonga tamin’ny faran’ny taona 2022,…
Toky R
Niroso tamin’ny fifanaovana sonia fifanarahana fototra momba ny fiaraha-miasa