Razafindravahy. Nanolotra teboka vitsivitsy mitaky fanalefahana sy fanamaivanana ary fanatsarana eo amin'ny lafiny ara-teknika sy ara-taratasy ny Vondron'ny orinasa afaka haba sy mpiara miombon'antoka, ho fampandrosoana ny sehatra ara-toekarena eto Madagasikara. Nambaran'ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny fahavononan'ny Minisitera hanampy ireo orinasa afaka haba ahafahan'izy ireo mampiroborobo ny sehatr'asany izay misahana asa manodidina ny 150.000 isa. Nanamafy fa manohana sy mihaino ary mitantsoroka hatrany ireo orinasa afaka haba ny MICC, nandritra ny fandraisana ny GEFP notarihin'ny filohany. Isan’ireo sehatra tena nizaka ny ngidin’ny krizin’ny coronavirus ny orinasa afaka haba, ary mbola misedra ny mafy amin’izao.
Toky R