airtel

Actualités

08-août-2025

ADY AMIN'NY HERISETRA SY TSINDRY HAZOLENA

Nanao fanentanana tany

Sample post image

Tsiroanomandidy ny Ong Tsaramanasoa

08-août-2025

Fikambanana iray misehatra amin'ny fiarovana ny zon'olombelona ny ONG Tsaramasoa, tarihin'ny Filoha nasionaliny Ranaivoson Patrice. Nanatanteraka fanentanana tany amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy ny fikambanana ny datin'ny 05 sy ny 06 Aogositra teo tao amin'ny EPP Ankadinakanga. Nambaran-dRanaivoson Patrice fa noho ny hamaroan'ireo fitarainana voarain'ny fikambanana no antony nanaovany ny fanentanana. Tsy tokony ho mpijery maso fotsiny mantsy ny mpiara-monina hoy izy manoloana ireo vehivavy sy ankizy hiharan'ny herisetra marobe eny rehetra eny. Toraka izany koa ireo hiharan'ny tsindry hazolena izay nomarihiny manokana fa tokony ampiana sy omena toro-hevitra ho fanajana ny zony. Tsy latsa-danja amin'ireo ny fanamboarana kopia mari-pahaterahana izay nomarihiny manokana fa zon'ny olombelona tsirairay avy ny hanana azy. Tsiahivina moa fa tonga hatrany Bemahatazana sy Miandrarivo ny fikambanana nanao ity fanentanana ho an'ny mpiara-belona ity.
Pati
Légende : Ranaivoson Patrice, tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny Ong Tsaramanasoa 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap
27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap