airtel

Actualités

17-sept-2026

Mikolo

« Ahenao 500 000Ar ny

Sample post image

karaman’ireo depiote hamahana delestazy ! »

17-sept-2026

Nivatravatra tamin’ny alalan’ny horonantsary tamin’ny fahitalavitra i Mikolo, tanora isan’ny nalaza tamin’ny hetsika sy tolona tamin’ny septambra 2026. Milaza fa nidera ny Fanjakana i Mikolo rehefa niverina ny jiro, saingy niverina dia tapaka herinandro sy tapa-bolana indray ka mahagaga. Efa herintaona ka tokony hisy zavatra miova fa tsy ny eo ihany no eo, hoy ity farany izay nilaza fa tokony hanao zavatra ny fitondrana. Esory mpanolotsaina politika indray aho rehefa tsy mety aminareo, hoy izy, fa tsy maintsy miteny aho amin’ny maha mpitolona ahy. « Rehefa tsy vitanareo ny mamaha ny delestazy dia ahenao daholo ny karaman’ireo depiote, ataovy 500 000Ar ny karamany, dia mijanona izy rehefa tsy hanao hanaovan’ny mahay azy. Tsy izay tian’ny mpitondra no atao eto, tsy izay tian’ireo, mbola be forongony eto, fa tsy any intsony ny resaka fa vahao fotsiny olan’ny jiro sy rano », hoy hatrany bi Mikolo. Milaza ity farany fa adin’ny sivy ny fahatapahana ka tsy hanaiky intsony, milaza fa mety hiverina eny an-kianja indray ka na tsy hisy hanaraka aza dia hoentiny amin’ny mokon-doha be any fotsiny. Ny tena marina i Madagasikara tsy ao Antananarivo irery. Raha nitolona izahay tamin’ny 25 septambra 2025, dia jiro sy rano no anton’iny. Tadidio fa nisampana ny lalana no noteneniko, fa raha izaho no hivadika ho lasa mpanohitra, dia manahirana ihany ilay izy satria amin’ny alalako ihany no hanonganana anareo mpitondra ireo. Ilay jiro tapaka foana, amin’ny 9ora no miverina dia tapaka indray afaka iray minitra, ka inona no asa vita amin’izany, hoy hatrany izy. Ity farany izay milaza fa mahakasika fihariana maro ny delestazy. « Ataovy foana fa ho tonga ny 25 septambra, io no nanonganana an’i Andry Rajoelina dia io ihany koa no nataonareo. Io no nanalana an’i Andry Rajoelina fa tsy hoe ady politika, ohatran’ny vao azo ilay toerana dia ohatran’ny lasa miovaova izany ianareo », hoy i Mikolo izay nilaza fa manana olona marobe mpanaraka, ary tsy mitambatra ny Gen Z. Tsy ianao Filoha Michael no nodarohan-dry zalahy tary, fa delestazy no nitolomanay, ny jiro tapaka ny olona maty any amin’ny hopitaly. Dia tena hoe tsy nisy zavatra niova tokoa ve teto mikasika ny olan’ny herinaratra ? Tena mitovy tokoa ve ny fahatapahana tamin’izany sy ny amin’izao ? Tsy fiarovana ny fitondrana ary iarahana manaiky fa mbola misy ny fahatapahana, saingy tsy mitovy kosa raha ny sary tamin’izany sy ny amin’izao. Namaly moa ny Jirama omaly fa tsy marina ny filazana fa misy fahatapahan-jiro maharitra 9 ora isan’andro, hoy ny Jirama. Nomarihina fa mampilaza hatrany ny orinasa mikasika ny fahatapahana mifandimby. Ny fahasimban’ny milina roa an’ny AfriPower ao Mandroseza no anisan’ny mahatonga ny fikorontanan’ny famatsiana ankehitriny, indrindra amin’ny ora be filàna amin’ny hariva, ho hatrany ny Jirama. Eo ihany koa ireo asa fikojakojana sy fanatsarana ny tambajotra efa voalahatra. Anisan’ny fepetra raisin'ny Jirama ny fampandehanana ireo milina TAC 1 sy TAC 3 ao Ambohimanambola, ny fandrotsahana orana artifisialy, ny fampitomboana ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro ary ny fanafarana milina vaovao, izay andrasana ho tonga amin’ny volana oktobra. Miantso ny olom-pirenena ho mailo amin’ireo vaovao tsy marina miely amin’ny tambajotra sosialy ny Jirama.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-sept-2026

Mbola tsy mivaha tanteraka ireo

Card image cap
16-sept-2026

124 miliara dolara ho an’i Afrika, zara raha 406 tapitrisa dolara ny antsika

Card image cap
16-sept-2026

Niverina ofisialy omaly 15 septambra 2026

Card image cap