litisia indray isika amin’izao fotoana izao. Sehatra isan’ny nalaza tamin’ny resaka ampihimamba ny fanondranana ity vokatra isan’ny mampiavaka an’i Madagasikara ity, izay tonga hatramin’ny fitoriana iraisam-pirenena nataon’ny Transparency Internation Initiative Madagascar, ary isan’ny dosie hanenjehana an’Atoa Mamy Ravatomanga amin’izao fotoana izao. Nilaza kosa omaly ny Minisitry ny varotra sy ny fanjifana Rtoa Haingo Tiana Andriamadison omaly raha nanontanian’ny mpanao gazety ny mety ho endriky ny fahafahana manondrana amin’ity, fa nisy ny fikaonandoham-pirenena tamin’ny volana septambra tany Toamasina. Fotoana nijerena ny olana sy ny vahaolana anatin’ny seha-pihariana litisia, ka nilazan’io Minisitra mpiahy io, fa tena nitaraina ny mpandraharaha satria nisy ny ampihimamba. « Nisy ny ezaka natao satria tena marina fa ny teo aloha, olona akaiky an’ilay tsy tononiko anarana eto no nahazo « palettes », nahazo « quota » be dia be, fa rehefa tonga izahay nitondra dia nozaraina amin’ireo mpanondrana io « quota » io, hosokafantsika ilay GEL (Groupement des Exportateurs de litchi) kanefa tsy hisian’ny kiantranoantrano dia hanara-maso ny Minisiteran’ny varotra amin’ny maha minisitera mpiahy azy », hoy ny Minisitra Haingo Tiana Andriamadison. Hisy araka izany ny antso tolo-bidy ary hiditra ao anatin’ny komity mpanao tombana ny Minisitera hoe tena nahafeno fepetra ve ireo nampidirina. « Toky no omena, vakintsika ny ampihimamba, ary tsy hisy ampihimamba vaovao any an-tanan’olon-kafa intsony, fa tena hapetraka ny ady amin’ny ampihimamba izay nitolomana », hoy hatrany ny Minisitry ny varotra sy ny fanjifana.
Toky R