airtel

Actualités

06-nov-2026

Diplaomasia

LIU Wei no ambasadaoro

Sample post image

vaovaon'i Sina eto Madagasikara

06-nov-2026

Tonga eto Madagasikara omaly Alakamisy 5 Novambra 2026, Atoa LIU Wei. Izy no Masoivohon'i Sina voatendry hiasa eto Madagasikara, mandimby toerana an'Atoa Ji Ping. Ity farany izay namarana ny asany teto Madagasikara ny volana Septambra 2026, rehefa niasa teto nandritra ny roa taona. Nitsena an'Atoa LIU Wei mivady teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny tompon'andraikitra ao amin'ny masoivohon'i Sina. Nisy fanambarana fohy nataon'Atoa LIU Wei teo ampahatongavana teny Ivato, nilazany fa "lalina ny fisakaizana eo amin'ny vahoaka Sinoa sy Malagasy". Ny diako, hoy izy, dia "mitondra vaovao tsara momba ny fanondranana vokatra ara-pambolena any Sina" amin'ny alàlan'ny fandaharan'asa tsy misy hetra, fifanakalozana ara-kolontsaina, ary fiaraha-miasa. "Izaho sy ireo mpiara-miasa amiko eto amin'ny masoivoho dia hiara-hiasa mafy andro aman'alina mba hampiroboroboana ny fiaraha-miasa roa tonta izay mahasoa ho tombontsoan'ny vahoaka roa tonta", hoy Atoa LIU Wei.
Nangonin'i Jean D.
Atoa LIU Wei mivady (afovoany) notsenain'ireo mpiasan'ny masoivoho teny ampahatongavana teny Ivato
 

Dans la même rubrique

06-nov-2026

tamin’ny karnem-pokontany io ka mila amboarina»

Card image cap
06-nov-2026

Fiombonana no ho zava-baovao hanavotra eto»

Card image cap
06-nov-2026

Vaky ny ady, raikitra ny tsindry

Card image cap
06-nov-2026

Nanome baiko hisiana

Card image cap
06-nov-2026

amin'ny fikarakarana fifidianana

Card image cap
06-nov-2026

Hiditra amin’ny taom-piotazana

Card image cap