airtel

Actualités

18-mai-2026

ADY AMIN'NY KOLIKOLY

Apetraka ho laharampahamehan'ny

Sample post image

toekarem-pirenena

18-mai-2026

Nivory teto Mahazoarivo ny Komity Mpitarika (COPIL) ny fanatanterahana ny Paikadim-pirenena Iadiana amin'ny Kolikoly (Stratégie Nationale de lutte contre la corruption _SNLCC) ka nankato ny drafitr'asa fanatanterahana izany. Natao mifandraika amin'ny Politika ankapoben'ny fitondrana Fanavaozana ity Paikadim-pirenena ity ary napetraka ho laharampahamehan'ny toekarem-pirenena manomboka izao ny ady amin'ny kolikoly. Nitarika ity fivoriana faharoan'ny COPIL ity ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, Rajaonarison Mamitiana, sy ny Filohan'ny "Comité pour la Sauvegarde de l'intégrité", Andriamifidy Jean Louis, araka ny voarakitra ao amin'ny didim-panjakana mamaritra ny famadihana ho asa ny SNLCC 2025-2030.
FANADIHADIANA ARA-BOLA
Torolàlana maro no nomen'ny Praiminisitra izay maneho ny fahavononan'ny Governemantan'ny Fanavaozana, hanova fomba fiasa manomboka izao, ka hafantoka kokoa amin'ny fanenjehana ara- toekarena sy ara-bola ny ady atao, satria ny Kolikoly dia hadisoana ara-toekarena ka nanasongadinan'ny Praiminisitra ny hanaovana fanadihadiana ara- bola isaky ny misy tranga mahakasika ny kolikoly. Anisan'ireo fepetra nankatoavina nandritra izao fivoriana stratejika izao ny fanamafisana ny fanaovana fanadihadiana ny fananana, ny harena azo tsy ara-dalàna, ny fomba fanagiazana fananana tsy anamelohana olona amin'ny tranga manokana, ny fametrahana ekipa iraisan'ireo rafitra miady amin'ny kolikoly mba hiaraka handinika ireo raharaha misy fiantraikany lehibe eo amin'ny toekarena ary koa ny fifandraisana sy fifampizarana ara-potoana ireo antontan-kevitra sy antontan'isa eo amin'ny samy mpisehatra amin'ny ady amin'ny kolikoly.
FAMERENANA NY LANJAN'NY TOEKARENA
Notsipihin'ny Praiminisitra fa ny ady amin'ny kolikoly dia tsy tokony ho sakana velively amin'ny fampiroboroboana ny toekarena, fa natao kosa hamerenana ny lanjan'ny toekarena amin'ny fampandrosoana ny Firenena, ny fiarovana ny vola miditra amin'ny Fanjakana ary hampihena ny vesatry ny vidim-piainana eo amin'ny vahoaka.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap
21-mai-2026

no any Rosia Ambasadaoro 3 vaovao

Card image cap
21-mai-2026

telo volana, mbola mila ezaka be…

Card image cap
21-mai-2026

antsy ny vadiny sy ny zanany mirahavavy

Card image cap
21-mai-2026

amoron-dalana mibahana lalam-bahoaka

Card image cap
20-mai-2026

Fanjakana, nanolotra 150 tapitrisa Ar »

Card image cap