airtel

Actualités

02-déc-2025

Afera Boeing 777

Miara-miasa amin’i Maurice sy ny FBI ny Fanjakana Malagasy

Sample post image

Raha nanapa-kevitra nandefa

02-déc-2025

an’i Mamy Ravatomanga any amin'ny fonjan'i Melrose ao Maorisy ny Fanjakana ao Port-Louis omaly 01 desambra 2025, dia manohy ny fiaraha-miasa mikasika ireo dosie momba azy kosa ny Fanjakana Malagasy, raha ny resaka nataon’ny Minisitry ny Fitsarana tamin’ny RFI omaly. Miara-miasa amin’i Maurice sy ny FBI mikasika ny boeing 777, ary namerina ny fanadihadiana lalina. Efa nanaovana fampanantsoana i Valery Ramonjavelo Minisitry ny fitaterana teo aloha, saingy milaza ny mpisolovava azy fa tsy mahefa hanao fanadihadiana azy ny PAC (Pôle Anti-corruption), hoy Rtoa Fanirisoa Ernaivo Minisitry ny Fitsarana. Efa novalian’ny Fanjakana fa araka ny andininy faha-134 amin’ny lalàmpanorenana, ny heloka sy fandikan-dalàna ivelan’ny asa maha minisitra na voalaza aza fa ny HCJ (Haute Cour de Justice) no mitsara azy, dia azo atolotra amin’ny fitsarana tsotra tsy mandalo HCJ. Miandry amin’ny fanatanterahana an’izay, ary mbola betsaka no handalo famotorana lalina eo anivon’ny PAC, raha ny fanazavany. Manana fifandraisana amin’ny manam-pahefana sy ny ACM izay nahazoany 5 tapitrisa euros ny fahafahana namoaka laharana vonjimaikan’ireo fiaramanidina 5, raha ny nambaran’ny fampahalalam-baovao Maorisianina. Misy olona 2 tena « clés » tamin’io dosie io, fa mbola tsy avoaka ny anarany, hoy i Fanirisoa Ernaivo. Manao ny dingana rehetra hanamafisana ny fanenjehana an’i Mamy Ravatomanga amin’ny fitoriana azy atsy Maurice ny Fanjakana Malagasy, raha ny fanamafisany. Ity Minisitra ity izay naneho fa tototry ny dosie izay tsy azo nokitihina fony Rajoelina teo amin’ny fitondrana ny Fanjakana ankehitriny, ka isan’ny goavana ny raharaha Mamy Ravatomanga, izay nifehy sehatra maro teto. Voatontontonona ihany koa tamin’izany ny resaka angovo. Milaza ny Minisitra fa mbola tsy afaka miteny hoe eny na tsia raha mikasika ny Jirama fa nisy kosa ny Fanjakana ratsy tantana, ary mandeha ny « audit » hijerena ny tena tompon’antoka. Momba ny fahatafidiran’i Mamy Ravatomanga ao anatin’io na tsia, dia nilaza izy noho izany fa mbola tsy eo ambany masony ny dosie, fa betsaka kosa ny orinasa mety voakasika raha ny mikasika ny Jirama.
Toky R


 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap