airtel

Actualités

11-juin-2026

Akora fanamboarana solonify

Mitaraina ho voasakana

Sample post image

tsy afaka manafatra intsony ny ASPROMA

11-juin-2026

Tsy afaka manafatra akora fanamboarana solonify intsony ny ASPROMA na ny Association des prothésistes dentaire Malagasy izay hivondronan'ireo mpanao solonify manerana ny Nosy. Fototra iray hahafahan'izy ireo mamokatra ny vokatra vokariny anefa izany izay marihina fa manampy betsaka ny olona amin'ny lafiny ara-pahasalamana no sady mikolo ny endriny ihany koa. Misy fiantraikany goavana eo amin'ny asa fiveloman'izy io trangan-javatra hiainany io raha araka ny fanazavan'Atoa Barijaona izay mpitondra tenin'izy ireo. Ankoatra izay dia misy manozongozona ihany ny lalana mifehy ny asan'izy ireo izay hangatahin'izy ireo ny mba hananany fahaleovantena tanteraka. Raha izy ireo mantsy no manamboatra ny solonify dia olon-kafa no mampiditra izany any ambavan'ny olona izay nambarany fa tsy azo ekena mihitsy. Notsihivin'Atoa Barijaona moa fa asa tanana ny asa fanamboarana solonify ary mamelona olona an'aliny eto amintsika. Tsy fikambanana tsy ara-dalana anefa izy ireo fa mijoro ara-panjakana ary efa tamin'ny Repoblika voalohany no nisy. Mandoa hetra ihany koa. Nanamarika moa ny mpitondra tenin'izy ireo fa tsy mitsabo nify ny ASPROMA, tsy mañala koa no sady tsy manamboatra noho izany tsy manitsaka ny asan'ny mpitsabo nify velively na ny dentiste. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny mikasika azy ireo ireo mpikambana eo anivon'ny ASPROMA noho izany. Hangatahiny koa ny hanavaozana ny lalana mifehy ny asan'izy ireo, indrindra amin'izao andron'ny fanavaozana izao.
Pati
Légende : Ireo mpikambana eo anivon'ny ASPROMA nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly teny Ivato !
 

Dans la même rubrique

11-juin-2026

tsy ampiharina araka ny tokony ho izy ny lalàna!»

Card image cap
11-juin-2026

dia mijanona eny ifotony!»

Card image cap
11-juin-2026

Tena mañana ny toerany sy ny

Card image cap
11-juin-2026

Sefo Fokontany, ny tanàna nirehitra

Card image cap
10-juin-2026

Tena ara-dalàna! Ny tsaho no

Card image cap
10-juin-2026

Tsy maintsy giazana ny SODIAT noho ny kolikoly maro !"

Card image cap