airtel

Actualités

11-juin-2026

Ambohimiarina-Andilanatoby

Ny olona lasa nifidy

Sample post image

Sefo Fokontany, ny tanàna nirehitra

11-juin-2026

Loza amin'atambo no nitranga tao Ambohimiarina Kaominina Andilanatoby Distrika Amparafaravola ny tolakandron'ny Talata teo. Raha mbola tany ampivoriana ny Fokonolona nifidy izay ho Sefo Fokontany, ankoatra ireo tany an-tsaha, no nirehitra ny toeram-ponenan'izy ireo. Nikoropaka ny rehefa vao nahazo fampandrenesana nanao izay hifehezana ny afo. Trano folo tafo no may kilan'ny afo, namela traboina 40 mianaka. Nampiahiahy ny mponina ny nahita ny fahavoazana satria misy amin'ireo trano ireo no mielanelana ampolony metatra nefa may. Tsy nisy ny aina nafoy tamin'ity loza ity fa ny fananana no kila hotohoton'ny afo. Vary 17 gony sy vola mitentina 3 tapitrisa Ariary miampy fitaovana ao an-tokantrano levon'ny afo. Misy amin'ireo traboina no tsy manana afa-tsy izay akanjo teny an-koditra, ka miantso tolo-tanana izy ireo. Efa tonga nijery ny zava-misy sady nampahery ireo niharam-boina ny Ben'ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy.
Jean D.
Rindrin-trano sisa nijoro vokatry ny haintrano tao Ambohimiarina - Andilanatoby
 

Dans la même rubrique

11-juin-2026

tsy ampiharina araka ny tokony ho izy ny lalàna!»

Card image cap
11-juin-2026

dia mijanona eny ifotony!»

Card image cap
11-juin-2026

Tena mañana ny toerany sy ny

Card image cap
11-juin-2026

tsy afaka manafatra intsony ny ASPROMA

Card image cap
10-juin-2026

Tena ara-dalàna! Ny tsaho no

Card image cap
10-juin-2026

Tsy maintsy giazana ny SODIAT noho ny kolikoly maro !"

Card image cap