airtel

Actualités

22-oct-2025

ANDRANOMAIMBO ANTSENAKELY ANTSIRABE

Nahitana taolam-paty nifono lamba mainty

Sample post image

Ahitana trangan-javatra hafahafa

22-oct-2025

matetika ao Antsirabe ao. Taorin'ireo olon-droa lahy sy vavy hita faty teo ambony fatana fanaovam-biriky afak'omaly Alatsinainy 20 Oktobra dia nahitàna taolam-paty nifono lamba indray tao Andranomaimbo, Fokontany Antsenakely.omaly Talata 21 Oktobra maraina. Raha araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia lamba mainty hafahafa no tazan'ny olona teo amin'ny ranon'Andranomaimbo. Rehefa nosavaina izany dia fantatra fa taolam-paty maromaro efa misy may no tao anatiny. Avy hatrany dia nampandre ireo tompon'andraikitra ireo nahita ny taolana ka tonga naka izany tany an-toerana ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin'ny BMH hoy ny vaovao. Fantatra moa fa taolan-dava avokoa ny ankamaroan'izy ireo izay tombanana saika hisy haka kinanjo mety tsy tanteraka tampoka ka izao nisy nanary tao anaty rano maloto izao. Ny fanadihadiana hataon'ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no tena hanamarina izany na tsia.
Nangonin'i Pati Légende : Ireo taolam-paty hita !


 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

karaman’ireo depiote hamahana delestazy ! »

Card image cap