airtel

Actualités

21-nov-2025

Antoko politika Fanare

«Aza andrasana ho ny mpanao

Sample post image

gazety no hanao ampamoaka!»

21-nov-2025

Averin’ny antoko politika Fanare hatrany fa raha te hanova isika, hoy ny filohan’izy ireo, Randrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis, dia mila mamerina ny nalainy izay rehetra naka harena tsy ara-drariny teto amin’ity firenena ity. Ny Fanare moa, hoy izy, dia isan’ireo niditra ho mpikambana ao anatin’ny vovonana politika vaovao Tafita. Fanorenana ny firenena no tanjona anatin’izany. Tokony hanome ohatra amin’izany, raha misy nanao izany, ao amin’ny Tafita. Aza andrasana ho ny mpanao gazety no hanao ampamoaka! Ny olom-boatendry sy olom-boafidy rehetra naka harem-pirenena tamin’ny fomba tsy ara-dalàna na tsy ara-drariny dia aoka hibebaka dien’izao fa raha tsy izany tsy hiova mihitsy ity firenena ity. Tadidio ny 4F nampianarin’ny FFKM tamin’ny 2023 dia ny fieken-keloka, fibebahana, fanonerana, fihavànana marina, hoy hatrany ny Fanare.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

karaman’ireo depiote hamahana delestazy ! »

Card image cap