airtel

Actualités

17-avril-2026

ASA MIFANDRAIKA

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Sample post image

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

17-avril-2026

Tanora 8 amin'ny 10 (8/10) no tsy mifanaraka amin'ny asany ny fianarana nataony, araka ny tatitry ny OIT ao amin'ny «Programme Pays pour le travail décent, Madagascar 2021-2023». Maro ny antony mety hahatonga izany, ary anisany ny tsy fahafantaran'ny mpianatra ny asa izay mety hatao rehefa vita ny fianarana.
Raha ny sehatry ny asa nomerika manokana tena miroborobo izany raha ny eto Madagasikara. Hita taratra izany amin'ny alalan'ny fitomboan'ny orinasa misehatra amin'ny teknolojia sy ny fivoaran'ny fitaovana ampiasaina ao anatin’ny tontolon’ny asa izay efa tena maoderina sy manaram-penitra avokoa ary ny faharisihan’ny tanora misafidy ny andalina io sehatr’asa iray io.
Tetikasa iray hanofanana maimaimpoana tanora mba hisehatra eo amin’ny asa mifandraika amin’ny nomerika ary hanatsara ny fampanana asa azy ireo amin'io sehatra io ny D-CLIC. Tanora Malagasy 1.000 eo anelanelan'ny 18 hatramin'ny 35 taona, manana fahalalana fototra na «base » amin'ny informatika no hahazo tombony amin'ity tetikasa izay novolavolan’ny "Organisation internationale de la Francophonie " (OIF) sy ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa (METFP) ity. Seha-pampianarana stratejika miisa telo no atolotry ny tetikasa dia ny varotra nomerika " marketing digital", ny fampandrosoana rindranasa finday" développement application mobile" ary ny fanamboarana tranonkala "développement Web" ary hahazoana mari-pahaizana manokana. Nomarihin'ny minisitry ny Fampianarana teknika sy Fanofanana arak'Asa, Todisoa Manampy nandritra ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa teny amin'ny Foibe-pampianarana Arak'asa " Centre de Formation Professionnelle " teny Ampasampito fa omena lanja manokana ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ity tetikasa ity. Amin’ny andiany voalohany, mahatratra 40 % ny isan’ny tovovavy, izany hoe 91 amin’ireo mpiofana 231 voafantina.
Ankoatra ny fampivelarana fahaiza-manao ara-teknika, mikendry ihany koa ny hanatsara ny fahafahan’ny tanora miditra amin’ny tsenan’ny asa ny D-CLIC, amin’ny alalan’ny fampifanarahana ny fiofanana amin’ny filan’ny tontolo matihanina ankehitriny. Tanjon'ny D-CLIC ny hametraka ireo tanora ireo ao anatin'ny "stage" avy hatrany aorian'ny fiofanana mba tena hihatra amin'ny fiainany ary hiteraka fampananan'asa azy ireo ny fiofanana izay atao.
Lalaina Rav

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap