airtel

Actualités

06-août-2025

BELO TSIRIBIHIANA

Voay nataon'ny fokonolona fitsaram- bahoaka

Sample post image

Tena leo ny amin'ny hafitsok'ireo voay masiaka any amin'ny Faritra misy azy

06-août-2025

ireo mponina any amin'ny distrikan'i Belo Tsiribihiana. Ankoatra ireo efa naratra sy nitondra faisana tamin'izany mantsy dia nisy koa ireo efa namoy ny ainy mihitsy. Voay lehibe iray no saron'izy ireo tany an-toerana omaly Talata 05 Aogositra folakandro.Nofatoran'izy ireo tady ilay voay niaraka tamin’ny hazo ary nampijalijalian'izy ireo fatratra. Toy ireny nofantsihina tamin'ny hazo fijaliana ireny ny fahitana azy. Nandany ora maromaro mihitsy ireo fokonolona nanao izany. Tsy hijanona hatreo moa ity hetsika famonoana voay masiaka ity any Belo Tsiribihiana any fa hitohy hatrany raha vantany vao misy tratra.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao ny nanaovan'ny fokonolona ilay voay 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

karaman’ireo depiote hamahana delestazy ! »

Card image cap