airtel

Actualités

10-juin-2025

BORIBORINTANY FAHATELO

Zokiolona miisa 100 notolorana fanampiana

Sample post image

Tsy manam-piahy ny ankamaroan'ireo zokiolona eto amintsika.

10-juin-2025

Na manan-janaka aza ny sasany dia tsy maintsy mipetra-drery sy mamelon-tena vokatry ny hasarotan'ny fiainana. Misy indray ireo tsy niteraka mihitsy nefa tsy zakan'ny havany ihany koa. Mba ho fitsinjovana azy ireo dia zokiolona miisa 100 afak'omaly 08 Jona Fetin'ny Pentekosta no nozaraina valopy sy fotsim-bary tao amin'ny Boriborintany fahatelo, kaominina Antananarivo renivohitra. Vokatry ny ezaka nataon-dRazafimandimby Rija Ethel, filohan'ny fikambanana Tanora Actif an'i Madagasikara no angady nananana sy vy nahitana izany. Nambarany fa ny Ray aman-dReny no loharano nipoirana amintsika Malagasy ka mendrika omena sy tolorana ny valy babena. Tsiahivina moa fa anisan'ny Renim-pianakaviana mavitrika amin'ny fanaovana asa soa entina hanampiana ny'mpiara-belona eto amintsika Rtoa Razafimandimby Rija Ethel.
Pati
Légende : Nandritra ny fizarana ny fanomezana ho an'ireo zokiolona !
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap