Na manan-janaka aza ny sasany dia tsy maintsy mipetra-drery sy mamelon-tena vokatry ny hasarotan'ny fiainana. Misy indray ireo tsy niteraka mihitsy nefa tsy zakan'ny havany ihany koa. Mba ho fitsinjovana azy ireo dia zokiolona miisa 100 afak'omaly 08 Jona Fetin'ny Pentekosta no nozaraina valopy sy fotsim-bary tao amin'ny Boriborintany fahatelo, kaominina Antananarivo renivohitra. Vokatry ny ezaka nataon-dRazafimandimby Rija Ethel, filohan'ny fikambanana Tanora Actif an'i Madagasikara no angady nananana sy vy nahitana izany. Nambarany fa ny Ray aman-dReny no loharano nipoirana amintsika Malagasy ka mendrika omena sy tolorana ny valy babena. Tsiahivina moa fa anisan'ny Renim-pianakaviana mavitrika amin'ny fanaovana asa soa entina hanampiana ny'mpiara-belona eto amintsika Rtoa Razafimandimby Rija Ethel.
Pati
Légende : Nandritra ny fizarana ny fanomezana ho an'ireo zokiolona !
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira