olona manana fahasembanana
Nanitatra ny ambahindahiny any amin’ny Ambohidrano Sabotsy Namehana, distrikan’Avaradrano ny Centre Sembana Mijoro tarihin-dRazafinjato Fela ho fanampiana sy ho fanohanana ireo olona manana fahasembanana. Mankasitraka feno izany ezaka hataony izany ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia efa 23 taona nanabeazana sy nikarakarana ireo ankizy sy tanora manana fahasembanana ity ivon-toerana iray ity. Notokanana omaly ny foto-drafitrasa vaovao hanohanana izany asa izany, izay vita tamin’ny famatsiam-bola avy amin’ny ATIDI na ny (African Trade and Investment Development Insurance). Ho fanohanana ny asan’io centre il dia nanolotra tantsoroka ara-tsakafo ny Vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana, Ramatoa Randrianirina Elisa. Nanampy tamin’ny fanolorana seza misy kodiarana kosa ny Ministeran’ny Mponina sy Firaisankina. Nanatrika ny fitokanana Rakotoniaina Voahanginirina Cathia, Minisitry ny Mponina sy Firaisankina sy Ramatoa Ratsiavahana Mbinison Dorette, Tale Jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana... Izao fanohanana izao dia ho fanatanterahana ny iraka avy amin’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Mickael ho fanamafisana ny fitsinjovana sy fanampiana ireo olona manana fahasembanana. Tsiahivina moa fa mahazaka ankizy miisa 40 izao ny centre ao Sabotsy Namehana raha miisa 15 no efa ao. Izy no centre sembana mijoro fahatelo eto Antananarivo naorin-dRazafinjato Fela.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ny fotodrafitrasa !