airtel

Actualités

30-oct-2026

Tale

mpanatanteraky ny ONTM

Sample post image

Tsy nandray ny toerany i Jean-Marc Razakazafy

30-oct-2026

Tsy handray ny andraikiny amin’ny maha Tale Mpanatanteraka vonjimaikan'ny Ofisim-pirenena mikasika ny fizahantany na ny ONTM azy i Jean-Marc Razakazafy, taorian’ny tsy fankatoavan’ny Minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asa-tanana ny fanendrena azy. Izy izay voafidin'ny filankevi-pitantantanan'ny 26 oktobra 2026 teo, taorian'ny fahataperan'ny andraikitry ny teo aloha ny 21 oktobra Danny Barivelo. Nambaran’ny ONTM tamin'izany fa tafiditra ao anatin’ny ezaka hanavaozana ny rafitra sy ny fitantanana ary hampitomboana ny fahombiazan’ny birao io fanovana eo amin’ny fitarihana io, mifanaraka amin’ny politikam-panarenana sy fanorenana vaovao entin’ny Governemanta. Nisy anefa ny resabe teny amin'ny tambajotran-tserasera taorian'ny fahalanian'ny Tale mpanatanteraky ny ONTM, izay nambara fa alon'ny volomboasary. Namoaka ny fampahafantarana ny ONTM omaly ho an'ireo izay liana sy vonona ho Tale mpanatanteraka. Omaly tamin'ny 11ora no namoahana izany, ary nomena fe-potoana hatramin'ny 2ora tolakandro ireo liana, mba hanafainganana ny fahitana izay ho tompon'andraikitra vaovao, hutohizan'ny fampandehan-draharaha. Isan'ny antony lehibe tsy nandraisan'ny Jean-Marc Ratsimbazafy ny tierany ny fanoherana nataon’ny Minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana tarihin-dRtoa Lily Rafaralahy, mpiahy ny ONTM, fa manamafy ny tsy fankatoavany izany fanapahan-kevitra izany. ». Nombara fa efa naneho mazava ny ahiahiny sy ny tsy fankasitrahany ny filatsahan-kofidian’io olona io Ramatoa Ministra, ary nanentana ny rehetra hanao safidy mifanaraka amin’ireo foto-kevitra iorenan’ny politikan’ny Fanavaozana. Nambara fa ny fanavaozana ny fitantanana dia tokony haneho taratra ny finiavana marina hitondra fiovana, hanome sehatra ny fomba fijery vaovao sy ny fomba fiasa nohavaozina, mifanaraka amin’ireo vina sy toromarika napetraky ny Governemanta, hoy ity fanambarana ity. Andaniny, voalaza fa tafiditra anatin’ny hoe : "association privée ARUP" na "Association Reconnue d'Utilité Publique" na indraindray "Association Reconnue d'Utilité Privée" ny ONTM, arakaraka ny sata sy ny lalàna mifehy azy. Tsy sampan-draharaham-panjakana izy, fa manana ny sata mifehy azy sy ny rafitra fitantanana azy manokana. Ny mpikambana na ny filankevi-pitantanana (administrateurs) no mandray fanapahan-kevitra lehibe, toy ny fanendrena na fanakaramana ny Tale Mpanatanteraka, ka izay no niseho. Nanaja tena izany ny andaniny na voafidin'ny filankevi-pitantantanana aza.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-oct-2026

Niverina an’i am-ponja ny

Card image cap
30-oct-2026

Hanasongadina ny

Card image cap
30-oct-2026

Nanitatra ny fiahiany ireo

Card image cap
29-oct-2026

Potehina i Gilles Daheron,

Card image cap
29-oct-2026

Nomen'ny HCC fahefana hanenjika ny PAC

Card image cap
29-oct-2026

tamin’ny 31 oktobra 1991»

Card image cap