Noho ny fanadiovana ireo fantsona maro samihafa izay tsy maintsy atao noho ny fisian’ireo karazana sira miraikitra any anatiny any no antony raha ny nambaran’ny Dokotera tompon’andraikitra, Rakotoarimanana Aimée. Anton’ny fampahafantarana moa ny fisian’ireo olona marobe avy amin’ny lafivalon’ny Nosy mbola tonga ao Antsirabe ihany mitady fitsaboana ka lasa miverim-potsiny noho ny tsy fahafahan’ny mpitsabo mandray azy. Nambaran’i Dr Rakotoarimanana fa ny 01 jolay 2014 dia efa hanomboka indray ny fandraisan’olona ao amin’ity toerana ity. Marihina fa karazana aretina maro no tsaboina ao Antsirabe ao amin’ity toerana ity, toy ny fahatapahan’ny lalandra, ny aretin’ny vanin-taolana sy ny maro hafa tsy voatanisa.