airtel

Actualités

01-sept-2025

Chan 2025

Namoy ny reniny i Antonio

Sample post image

Namoy ny reniny ny zoma teo ny irakiraka havian'ny ekipam-pirenena malagasy

01-sept-2025

na Barean'i Madagasikara, Antonio. Mbola niatrika iny famaranan'ny tompondakan'i Afrika na Chan 2025 ny sabotsy teo, tany Nairobi, Kenya, iny moa izy ka vita mihitsy izany lalao famaranana izany vao nampahafantarina azy ity vaovao ratsy ity, hoy ny fampitam-baovao voaray. Mafy tamin'ny mpilalao rehetra ny faharesena nanoloana an'i Maroc fa nangidy lavitra, araka izany, ny nanjo ity hoavin'ny baolina kitra malagasy ity. Tantely amam-bahona tokoa ny fiainana, hoy ny fitenenana, ka dia nankahery ireo Barea rehetra, araka izany, fa indrindra, nankahery manokana ity isan'ny sokajiana ho mahery fon'ny firenena ity noho izao andro maloka lalovany izao ireo malagasy sy mpanohana ny ekipam-pirenena marobe tamin'iny sabotsy iny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap
09-sept-2026

rano fisotro madio tsy tapaka ny fanjakana

Card image cap