Rovan’Antananarivo
Atao ho andro fisaonana ny 6 novambra, daty ahatsiarovana ny nahamay ny Rovan'Antananarivo, izay nanamarika lalina ny tantaran'i Madagasikara, hoy ny fampitàm-baovao voaray omaly. Miantso ireo mpitahiry vakoka rehetra sy mpandala ny fomba ary koa ireo olompirenena rehetra hanidina ny sainam-pirenena ho mariky ny fiombonam-po ny sampan-draharaha miandraikitra izany. Fandoroana niniana natao noho ny fifanenjanana politika tamin'izany fotoana izany no nitranga ny 6 novambra 1995, raha ny fanadihadiana. Ankoatran’ny faharavan'ny lapa, izay mariky ny fiandrianam-pirenana, goavana dia goavana ny fahaverezan-kasina. Tsy ny lapa ihany no may fa voakasika ihany koa ireo taolam-balon'ny mpanjaka sy ireo vakoka ara-tantara sarobidy ary ireo harena nandova ny Ntaolo malagasy. Tsy hotakiana fidirana ireo rehetra izay tonga hitsidika ny Rova ka manao fitafy tena malagasy ho an'ny anio 6 novambra, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija