airtel

Actualités

06-févr-2026

Diplaomasia

Manohana ny fitondrana Malagasy sy

Sample post image

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

06-févr-2026

Namoaka tatitra fohy mikasika ny dian’ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo atsy Maurice ny departemanta iadidiany omaly. Nisy ny fihaonana tao amin’ny Biraon’ny Lefitry ny Praiminisitra tao Port-Louis sy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Malagasy, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO, sy ny Lefitry ny Praiminisitra Maorisianina, Andriamatoa Paul BERENGER. Nanamafy i Paul BERENGER fa manohana tanteraka ny fitondrana Malagasy mijoro ankehitriny ny fitondrana Maorisianina ary mazava amin’izy ireo ny antony niteraka ny fitakiana nataon'ny vahoaka Malagasy ary nahafahana nanangana izao fitondrana vaovao izao, hoy tatitra. Nambaran’ny Lefitry ny Praiminisitra ihany koa ny fahavononan’i Maorisy hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara, na eo amin’ny lafiny fitsarana izany na lafiny toekarena. Ankoatra izany, nanambara ihany koa Andriamatoa Paul BERENGER fa manohana feno an’i Madagasikara amin’ny ezaka famerenana ny tany tan-dalàna sy mankahery ny fitondrana Malagasy amin’ny fanatanterahana fifidianana mangarahara, tsy misy hosoka ary eken’ny rehetra. Nohamafisiny ihany koa ny fanohanan’i Maorisy an’i Madagasikara amin’ny fitakiana ny famerenana ny Nosy Malagasy, araka ny tatitry ny Minisiteran’ny Fitsarana ihany. Tsara ny mampahatsiahy, fa tany amin’ny fiandohan’ny volana novambra dia efa nilaza ny Praiminisitra Maoriasinina Navin Ramgoolam manoloana ny fiovana ara-politika eto Madagasika sy ny sazy nataon’ny Vondrona Vondrona Afrikanina antsika. «Tsy fanonganam-panjakana ara-miaramila izany, araka ny lazain’ny sasany no nisy tao Madagasikara. Fitroarana no nitranga. Nitsoaka nakany an-dafy ny filoha teo aloha. Ny zavatra tadiavinay dia ny hiverenan’ny fitondrana sivily ara-dalàna amin’ny alalan’ny fifidianana.», hoy i Navin Ramgoolam. Ity farany izay voatery niditra an-tsehatra niteny manoloana ny raharaha Mamy Ravatomanga tany aloha, fa tsy misy ho afa-bela amin’ny fanadihadiana, ary ho hentitra ny Fanjakana Maorisianina amin’ny fampiharana ny tan-dalàna, manenjana amin’ny kolikoly. Asa izay ho fivoakan’ny fifampidinihana hirosoana amin’ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’ny Firenena roa tonta satria ny raharaha Mamy Ravatomanga aloha no dosie iraisana, ankoatra ny lafiny hafa toy ny mety ho fiaraha-miasa diplaomatika, toekarena,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap