Fikambanana natsangan’ny fanjakàna malagasy moa izy ity, hoy ny filohany, Josephin Andriandrainarivo, ary miara-miasa amin’ny fikambanana iraisampirenena momba ny fahasalamana na OMS. Mivory isan-taona io, hoy izy, ary tonga teto avokoa ny solontenan’ireo fikambanana miisa 17 ao anatiny. Sady ara-tsoatoavina no ara-kolontsaina no ara-dalàna ny fampiasana ny fitsaboana nentim-paharazana. Misy talenta na fanomezam-pahasoavana maro ao toy ny manotra, mamora zaza, mampiteraka, mampiasa ravinkazo hitsaboana marary na hodin-kazo na zava-maniry amin’ny ankapobeny na tany na rano na vato amin’ny endriny ara-kolontsaina rehetra eto Madagasikara. Mbola ezaka ny fanaraha-maso izay amin’ny alalan’ny lalàna ihany. Eo ny filankevitra kaominaly any ifotony miaraka amin’ny sampan-draharahan’ny fahasalamana na CSB, ny kaominina na ben’ny tanàna miaraka amin’ireo mpitsabo nentim-paharazana sy ireny olobe ireny. Ireo izany no ao anatin’ny filankevitra. Manisa ireo mpitsabo nentim-paharazana ireo sady manara-maso hoe sao dia manaotao foana. Misy ny hoe BCRT na «Bureau de coordination régional des tradipraticiens» koa eny anivon’ny faritra, izay mpandrindra ny fitsaboana nentim-paharazana. Miara-miasa amin’ny minisitera, prefe, mpitandro filaminana sy ny lafiny rehetra io. Mangataka izahay ankehitriny amin’ny fitondrana mahefa mba ho ampidirina ho isan’ny heloka ana habaka na «cybercriminalité» ny dokam-barotra amin’ny endriny rehetra mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana satria zava-doza ho an’ny fahasalamam-bahoaka izy ireny, izay matetika atao amin’ny alalan’ilay antsointsika hoe kaonty fako. Hisandohana, hakàna volan’olona efa marary na manana olana eo amin’ny fiainana an-davan’andro izy ireny ka izay no antony hangatahanay hoe ampidiro ho isan’ny heloka ana habaka. Miantso izany koa izahay amin’ny fanaratsiana ilay fitsaboana nentim-paharazana. Ny gazety sy onjampeo dia matetika fantantsika fa lasa fanomezana endrika ratsy ilay zava-masina. Zava-masina toy ny fitsaboana maoderina ihany izany fitsaboana nentim-paharazana izany, hoy hatrany ny ANTM.
J. Mirija
Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana
Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao
Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,
Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana
Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany
Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,