Mihemotra lava ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny mpikatroka MFM, Dr Pierre Michel Ralaivelo. Sady mampiandry ny tomponandraikitra nefa miteny koa any amin’ny fikaonandoham-pirenena miresaka, hoy izy. Amin’ny maha olompirenena tsotra na izany aza no ampirisihina ny mpitondra, manam-pahefàna, tomponandraikitra rehetra hiroso amin’ny fikaonandoham-pirenena faran’izay haingana satria nisafidy ny fanavaozana ny repoblika isika. Izay koa no anaran’izao fitondràna izao. Tokony ho laharam-pahamehana sy maika ny fanavaozana no dikan’izay. Isany ijerena izany ny fikaonandoha ary hamaritra ihany koa ny fomba hitantanana ny firenena. Sady tsy an-tany no tsy am-parafara isika izao. Tokony hiverina haingana amin’ny ara-dalàna isika no dikan’izany! Marina fa nanao fianianana tamin’ny lalàmpanorenana ny filohan’izao fitondràna izao. Tsy anaty lalàmpanorenana nefa izany olona tsy voafidy nefa mitantana repoblika izany. Mikasika ny depiote sy ben’ny tanàna mety tsy mipetraka any amin’ny toerana misy azy sy hoe amin’ny toeran-kafa no manao fitadiavam-bola fa tsy mijanona any amin’ilay toerana dia angamba any amin’ny tamberinandraikitra omeny no tokony jerena. Ny depiote izao mpanao lalàna. Ny tokony hitondràna ny adihevitra angamba dia hoe tena manao ny asany ve izy, tena manao izay tamberin’andraikitra izay? Tokony hivoaka anaty fikaonandoha koa izany fametrahana tamberin’andraikitra izany satria isan’ny fandavorariana ny demokrasia. Mila apetraka ny tena iraka ampanaovina ireo ben’ny tanàna. Tena manatanteraka izany tokoa ve izy? Miandry famatsiana, ohatra, ny any Antsirabe. Misy ny hoe volana maromaro na taona mihitsy aza no tsy voaloha ny karaman’ny mpiasa dia miandry vahaolana any amin’ny fitondràna foibe. Raha ametraka fitsinjaràm-pahefàna isika dia tokony hisy vola hiainga avy any ifotony hahafahan’ny any miasa aloha fa tsy hoe alefa taksiborosy mankaty Antananarivo vao averina taksiborosy any indray! Indraindray moa tsy tonga mihitsy ilay vola. Misy vola tokony tonga dia mijanona eny ifotony ao amin’ny kaominina sy fokontany, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija