Nitondra ny antsipirihany mikasika ny didim-pitsarana ny raharaha nahafatesan’ny depiote sady efa minisitra teo aloha Rabenirina Jean Jacques ny Fitsarana taorian’ny didy nivoaka omaly 16 jona 2026. Nanazava tamin’ny alalan’ny Mpisolo mpampanoa lalàna Nirina, ka nitatitra antsipirihany ny raharaha sy ny didy. Voafaritra tao anatin’io fa niseho tao anatin’ny toe-draharaha mafana teto amin’ny Firenena ny 25 septambra 2025, nisiana fihetsiketsehana, ka anisany ny teny Andoharanofotsy PK09+900. Nijanona teo afovoan-dalana ilay kamio rehefa nahita ny sakana. Moto roa nentin’ny mpiambina azy sy ny moto nitondra azy no teo anelanelan’ilay kamio sy ny mpitokona, ka tao anatin’ny fotoana nifampiraharahan’ny mpiambina mba ho afaka mandeha nonihetsikanihetsika tampoka ka nahavoadona ny moto, ka nirohotra ny olona nanantona, nikorapaka ny mpamily ka nanohy niankavanana ary nahadona an’itompokolahy, ary tsy nijanona tsy teo amin’ny sakana efa tsy nahafahana nihetsika intsony. Nivoaka ny fiara sy nitsoaka ny mpamily, ary fotoana fohy taoriana no nentina teny amin’ny HJRA ity depiote namoy ny ainy io, ary voalaza tamin’ny tatitra momba ny fitsirihana ara-pahasalamana, nahazo ny « premier soins » sy ny fitsaboana, saingy tsy tana ny ainy ny ampitso hariva. Olona 7 no tafiditra tamin’ny raharaha: ny mpamily izay voapanga ho namono olona tsy nahy sy nandositra, ny mpitsabo 6 izay ho nanao tsirambina sy tsy namonjy olona iharan-doza. Afaka noho ny fisalasalana ireo mpitsabo. Ny mpamily kosa voaheloka noho ny vono olona tsy nahy (18 volana an-tranomaizina sy lamandy 6 tapitrisa Ar), meloka ho nanao lositra (12 volana an-tranomaizina), ary afaka noho ny fisalasalana tamin’ny resaka fahazoan-dàlana mamily. Voatery mandoa onitra 4 200 000 Ar: 1 tapitrisa ho an’ny zanaky ny maty, 200 000 Ar avy ho an’ny mpiray tampo miisa 6, ary 2 tapitrisa Ar saran’ny fandevenana. Ny fangatahana taratasy momba ny karama noraisin’itompokolahy tsy voarotsaka ka tsy nahafahana nanonitra ny fahavoazana ara-bola. Nanamarika ny Fitsarana fa raha misy zava-baovao na « faits nouveaux » dia atao vaovao ny fitoriana fa tsy ampiarahana amin’ity raharaha ity intsony. Isan’ny nanaitra omaly ny fivoahan’ny vaovao tamin’ny haino aman-jery sy tambajotran-tserasera nataon’ny Holafitry ny mpitsabo izay niaro ireo mpitsabo izay nambara ho namoahana sazy mihantona. Somary nanaitra satria nialohan’ny didim-pitsarana no nisehoan’izany. Moa nisy filazana mialoha mikasika ny didy fa nitsimbadika tampoka ? Nisy nanome vaovao diso ireo mpitsabo ? Tsindry ankolaka tamin’ny Fitsarana mba tsy hanamelohana ireo mpitsabo ?
NIFANDRORITANA TAMIN’NY POLITIKA…
Betsaka ny resaka nifahofaho nifandraika tamin’ny politika momba ity raharaha ity, toy ny ady ara-tserasera teo amin’i Pasitera RJL sy ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaika. Io Pasitera mpanao famakafakana amin’ny facebook io raha fintinina ny dia nanao petra-kevitra fa tsy fahafatesana tsotra fa namboarina, toa nitodika tamin’ny hoe : ahiana ho famonoana ara-politika no tao ambadika noho Itompokolahy Rabenirina Jean Jacques isan’ny tsara toerana amina andraikitra ambony toy ny andrim-panjakana na governemanta tamin’ireny. «Tsy tokony hampiasaina amin’ny resaka politika ny fahafatesan’i zoky Jean Jacques. Tokony hametra-pialana tsy ho pasitera fa mpandainga. Teo aho no niteny hoe ity ary misy fiara, fiaran’ny depiote Afakandro, fa izy mihitsy no tsy nanaiky fa hoe aleo handeha moto. Aza ampiasaina amin’ny tanjona politikanareo ny fahafatesany, fa ao Andriamanitra hitsara ahy sy hitsara azy », hoy ny PAN Siteny Randrianianasoloniako. Heverina fa hikatona eo ity raharaha ity taorian’ny didim-pitsarana ary handry am-piadanana ny maty…
Toky R