Natao teny amin’ny sampanana Ambohimalaza manamorona ny lalampirenena faharoa omaly 16 jona ny hetsika fahatsiarovana ny loza nitranga tamin’ny 14 jona 2025, izay nahafatesana tanora maherin’ny 30 tamin’ilay tsingerin-taona iray nankalazaina tamin’ny toeram-pilanonana iray teny an-toerana. Ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ireo niharam-boina, FMZNA, no nikarakara izany. Fotoam-bavaka sy fametrahana fehezam-bonikazo teo amin’ny tsangambato vaovao ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy no nanamarika ny marainan’ny 16 jona 2026. Naneho ny alahelo mbola tsy voafafa ireo Ray aman-dReny sy havana, nilaza fa tsy ho adino ny tantara ary mbola mitoetra ny ratra navelan’io loza io. Marihina fa nisy ny tsy fitovian-kevitra satria nitsivalana ny tsangam-bato ry Mopera eo anivon’ny Frère Capuci, saingy nanazava ny ben’ny tanàna momba ny fifandirana teo amin’ny Mopera sy ny fikambanana, mikasika ny toerana nametrahana ny tsangambato. Nambaran’ny kaominina fa ara-dalàna tanteraka ny toerana nomena, satria tafiditra ao amin’ny manamorona ny lalam-bahoaka, ka tsy tokony hisy olana. Tsy azo anaovana fanorenana hafa eo amin’io toerana io noho ny maha manakaiky lalam-pirenena azy, saingy tsy manelingelina ny tsangambato izay natao ho fahatsiarovana, raha ny fanazavana. Namerina indray ny antso avo ireo fianakaviana niharan’ny loza, nangataka ny hanafaingana ny fanadihadiana sy ny hivoahan’ny marina momba ity raharaha ity. Tapa-bolana mahery kely teo moa izay no nilaza ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael, fa "Botulisme" no nitranga ka namoizana ain'olona maro teny Ambohimalaza. Mbola tsy fantatra kosa, hoy izy, na "Botulisme" natoraly izy io na "arme biologique. ". Efa nilaza moa ny fitondram-panjakana fa nisy manam-pahaizana manokana Rosianina nidina ifotony teny Ambohimalaza hizaha ny mahakasika io "botulisme" io, saingy efa voasasa madio ilay toerana ary efa lasa fanjairana ka tsy nisy na inona na inona hita raha ny nambarany. Niantso an'ireo izay mbola manana singa kosa ny Filoham-panjakana, mba hanome izany hanohizana ny fikarohana. Herintaona aty aoriana, mbola andrasana ny tena marina sy ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha nahalavoana tanora maro ity.
Toky R
.