airtel

Actualités

03-nov-2025

Fananan’i Mamy Ravatomanga

Raikitra ny savahao teny Talatamaty

Sample post image

Milaza ireo mpisolovava an'i Mamy Ravatomanga

03-nov-2025

fa fanentanana feno fanodikodinam-baovao avy aty Madagasikara sy Frantsa no nataon-dRamatoa Fanirisoa Ernaivo. Miezaka mivoy fa tsy naneho fanoherana na fanamarihana manokana ny Frantsay tamin’izany fotoana izany mikasika ireo fiampangana. Tondroin'izy ireo ho mifanohitra amin'ny ara-dalàna ny fanenjehana ataon’ny Financial Crimes Commission (FCC) satria tapitra ny fe-potoam-piasan’ny talen’ity rafitra ity ny 11 septambra lasa teo. Araka ny heviny, tsy ara-dalàna avokoa ny hetsika rehetra natao nanomboka ny 12 septambra. Mbola miezaka mikofoka mafy amin’ny fanetsehana an’ireo heveriny fa afaka hiaro azo ity mpandraharaha matanjaka ity satria misy amin’ireo mpisolovava azy no avy any Frantsa, Etazonia,… Andaniny, efa nilaza ny Praiminisitra Maorisianina Navin Ramgoolam hoe: “tsy hiverina intsony eto Maorisy ny mafia”, ary nanamafy indray ny FCC fa hanohy amim-pahitsiana sy amin’ny fanajana tanteraka ny fanjakana tan-dalàna ny asany. Ny Fitsarana Malagasy tamin’ny alalan’ny Minisitra Fanirisoa Ernaivo izay niandraikitra ny dosie Mamy Ravatomanga teo aloha, dia nilaza ny herinandro teo, fa manana 15 andro ny Fanjakana Malagasy hanaovana ny dosie mikasika ity raharaha ity. Asa raha tafiditra ao anatin’ilay sora-bola 5miliara dolara famotsiam-bola sy fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna nentina any ivelan’i Madagasikara kasaina hampodiana eto ny afera Mamy Ravatomanga. Ny eto an-toerana, dia mipetra-potsiny ihany koa ny Fanjakana mikasika ireo fananan’ity mpandraharaha malaza amina dosie goavana ity. Nisy ny sabotsy teo ny savahao na « perquisition » an’ny orinasa SODIAT an’i Mamy Ravatomanga ity nataon’ny mpitandro filaminana. Fiara miisa 7 an’ny vondrona SODIAT no nentin’ireo mpitandro ny filaminana nanao fisavana ireo raha ny nambaran’ny mpiasa tao an-toerana ary mbola hiverina haka ny fiara ambiny izay efa any amin’izy ireo ny fanalahidin’ny fiara ireo mpitandro ny filaminana raha ny fanampim-panazavana hatrany, hoy ny fampahalalam-baovao iray ny faran’ny herinandro teo. Nisy ihany koa ny famakiana « coffre » saingy tsy nahitana vola ankoatra ny atontan-taratasy lasan’ireo mpitandro ny filaminana. Tamin’ny 8 ora sy sasany alina vao niala teny an-toerana ireo nanao « perquisition » ny SODIAT Talatamaty, raha ny tatitra.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap