Tantsaha manodidina ny 479 isa eny Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano no nisitraka zezika sy masomboly avy amin'ny Ministeran'ny fambolena sy fiompiana tamin'ny alalan'ny tetikasa FSRP izay vatsian'ny Banky iraisam-pirrenena vola. Izany no tanteraka dia vokatry ezaka nataon'ny Ben'ny tananan' Ampitatafika Rado Ramparaoelina ka fokontany miisa 4 eo anivon'ny kaominina no nahazo tombontsoa tamin'izany. Lohalaharana ny fokontany Ambohibary, Ambohimpamonjy, faliarivo, ary Malaza. Tanjona ny hanampiana ireo tantsaha mba hahafahany mivoatra sy manatsara ny velon-tenany hoy ny lefitra fahatelon'ny Ben'ny tanana. Narahina fiofanana nomena ny tantsaha izany nanomboka ny volana Aogositra ka izay nahavita izany ihany no afaka nisitraka ny fanomezana. Aorian'ny fizarana dia hisy ny tantsoroka sy fanaraha-maso hatao ho an'ireo tantsaha hahafahana mahatratra ny tanjona. Nilaza moa ny teo anivon'ny FSRP fa fampianarana ny teknikam-pambolena mifanaraka amin'ny fiovaovan'ny toetry ny andro no natao sy nomena ireo tantsaha mba hahazoana vokatra tsara hatrany.
Pati
Légende : Ireo masomboly sy zezika tonga, noraisin'ireo tompon'andraikitra !