Miova andriana miova sata ny Jirama amin'izao andron'ny fanavaozana izao! Nilatsaka ny fanapahan-kevitra niainga avy tamin'ny filankevi-pitantanana, nanala an'i Ron Weiss tsy ho Tale Jeneraly, ka nametraka ny Jeneraly Hajatiana Rasolomanana ho amin'izany toerana stratejika izany. Raha hiverenana, teknisianina Isralianina injeniera elektrika voalaza ho nanarina ny orinasam-panjakana, indrindra fa ny tany Rwanda teo anelanelan'ny taona 2017 sy 2023 i Ron Weiss, ka isan'ny naharesy lahatra ny famahany ny delestazy tany sy nampitombo avy amin'ny 35% ho 75% ny fisitrahana herinaratra. Nitantana ny Jirama nanomboka ny aprily 2024, saingy tsy nahatafavoaka baolina niaraka tamin'ny fitondrana Rajoelina na dia nokaramaina 710 000 dolara na 3 195 000 000 ariary eo anatin'ny 4 taona, raha ny voarakitra ao anatin’ny fifanarahana, izany hoe karamaina 798 750 000 ariary izy ao anatin’ny herintaona, 66 562 500 ariary isam-bolana, ary 2 218 750 ariary eo isan’andro. Tao anatin'ny telo volana mahery teo rehefa niova ny Fitondrana, tsapa ny fihenan'ny delestazy na ekena aza fa mbola misy ny lesoka, ny fahatapahana madinika,... Midika izany fa nisy ny ezaka ary mbola hitohy, indrindra ao anatin'izao fiovana Tale Jeneraly izao, izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanomezana fitokisana ny manam-pahaizana Malagasy. Ny somary manitikitika kosa dia ny hoe : nahomby izany ny fifampiresahana sy fifandresen-dahatra tamin’ny mpiara-miombon’antoka toy ny Tahirimbola iraisam-pirenena na ny FMI izay isan’ny nanana dian-tanana tamin’ny fanendrena an’i Ron Weiss ? Raha ny ampahany mikasika ny Tale Jeneralin'ny Jirama vaovao Jeneraly Hajatiana Rasolomanana dia Miaramila manamboninahitra ambony isan’ny nisahana fanorenana sy asa teknika tao amin’ny ACMIL Antsirabe, injeniera nivoaka teo anivon’ny ESPA (Ecole Supérieure Polytechnique d'Antananarivo) sady mpampianatra vacataire ao nanomboka ny taona 2011. Manam-pahaizana momba ny indostrian'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, tsy dia vaovao amin'ny sehatra ny angovo satria efa Tale Jeneralin'ny OMH na ny Ofisim-pirenena momba ny akoran'afo ny 2018-2020; Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny asa vaventy (2021 - 2023), efa Tale Jeneraly mpisolo toerana teo anivon'ny AIS (Alimentation en eau dans le Sud,... Naneho ny Tale Jeralin’ny Jirama Jeneraly Hajatiana Rasolomanana omaly, fa vonona hitady vahaolana ho an’ny Jirama, hisy paik’ady samihafa azo atao amin’ny fanarenana ny orinasa, hiezaka hanome tolotra ara-kalitao ho an’ny vahoaka ny orinasa,… “Ao anatin’ny fanavaozana isika, ary mendrika ny hanome sehatra ny Malagasy manam-pahaizana ao amin’ny JIRAMA.” , hoy kosa ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Ralitera Ny Ando Jurice nandritra ny famindram-pahefana teo amin'ny tale jeneraly vaovao sy ny teo aloha. Irariana ny fahombiazana satria isan’ny antony nisian’ny tolom-bahoaka, ka nahatongavana amin’izao dingana izao ny olan’ny angovo sy herinaratra.
Toky R
,