airtel

Actualités

21-nov-2025

Fehin-tendan’ny filoha

Misy tantara…

Sample post image

Ny "Écharpe" na fonon-tenda hanaovan’ny

21-nov-2025

filohan’ny fanavaozana ny repoblika malagasy amin’izao fotoana izao, hoy ny isan’ny fanazavàna voaray avy amin’ny mpandinika momba izany, dia satria ny Kolonely miaramila dia manao fehin-tenda tsy ho fanampin'akanjo fa ho mariky ny baiko sy ny fanavahana. Fomban-drazana ara-tafika izay efa nisy taonjato maromaro ary manana lanja ara-panoharana matanjaka izy io. Mariky ny fahefàna ary famantarana eny an-kianja ny andraikitra ambony sahanin’ilay manao izay aron-tenda izay. Ny tafika eoropeanina fahizay no voalaza ho nanomboka azy io, raha iverenana ny tantara, ka na fehikibo miloko na izay fehin-tenda miloko izay no hanavahana ny lehibe amin’izy ireo. Any amin’ireo firenena sasany aza moa dia miloko ny sainam-pirenena mihitsy izay fehin-tenda izay, raha ny angona tahirin-kevitra voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-oct-2026

navadika ho lasantsy

Card image cap
12-oct-2026

Navaozina ny fiaraha-miasan’Ambatovy sy ny BNGRC

Card image cap
09-oct-2026

Misy fanakorontanana

Card image cap
09-oct-2026

Hamondrona ny heriny

Card image cap
09-oct-2026

Misy zavatra tsara alamina ihany angamba…

Card image cap
09-oct-2026

Miantso ireo fikambanam-behivavy

Card image cap