anivon'ny fiarahamonina eny ny amin'ny kidobo kidobo isan-kalina. Raha tsy manao ny ao atsimo dia manao ny ao andrefana eto an-drenivohitra sy ny manodidina indrindra fa ny eny amin'ny Faritra iva. Raha araka ny fanadihadiana natao dia ireo mpikarakara famadihan-drazana na didim-poitra ny ankamaroan'ireo olona manao izany. Misy mandany an-tapitrisany mihitsy ny sasany hakana mpitsoka mozika ho entina mandehandeha eny an-dalana amin'ny atoandro mandeha maka rano raha alim-pandihizana faobe mandritra ny alina. Fantatra anefa fa maro amin'izy ireny no tsy maka fahazoan-dalana eny anivon'ny Fokontany akory. Mahatsiaro ho sahirana ny mpiara-monina vokatr'izany. Tsy manana afatsy ny alina mantsy sisa ny ankamaroan'ny tokantrano Malagasy amin'izao mba hakana aina noho ny hasarotan'ny fiainana nefa mbola voakotaba ihany. Raha fehezina dia lasa gaboraraka tanteraka ny fiarahamonina Malagasy. Tsy mifanaja intsony ny olona fa samy manao izay tiany hatao toy ny hataon'ny mpitondra ihany. Tsiahivina moa fa ankoatra ny fikorontanan'ny torimaso amin'ny dia miteraka olana eo amin'ny fifamoivoizana ihany koa ny famadihan-drazana sy ny didim-poitra noho izy ireny miteraka fitohanana eny amin'ny arabe.
Pati
Légende : Ireo mpikarakara famadihan-drazana tahaka izao matetika no tena mikarakara alim-pandihizana !