arahi-maso any amin’ny faritra avaratr’i Agalega, any amin’ny Ranomasimbe Indianina, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Mbola tsy rivodoza izy amin’izao fotoana izao saingy ahitana famantarana fa mety hihamafy ka hivadika ho tafio-drivotra tropikaly ao anatin’ny 48 ka hatramin’ny 72ora hoavy (TTF: 24 hatramin’ny 48ora manomboka anio). Raha mahatratra ny fepetra takiana dia Bertrand no hiantsoana azy, hoy ny fanazavana. Mety hikisaka miankandrefana sy hanakaiky ny faritra Avaratra Antsinanan’i Madagasikara ilay tangoron-drahona amin’ny faran’ny herinandro. Mety hisy oram-be any amin’ny faritra Avaratra Antsinanana, indrindra, ny SAVA, manomboka ny alahady 8 novambra. Mbola tsy voafaritra mazava anefa ny lalana sy ny heriny ary tsy mbola misy filazana fa hisy rivodoza hamely an’i Madagasikara, raha ny fampitàm-baovaon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro na Météo hatrany.
Nangonin’i J. Mirija