airtel

Actualités

22-sept-2025

FIKAMBANANA SAKAIZAN'NY

TANORA MALAGASY

Sample post image

Mampianatra maimaimpoana ireo sahirana eny amin'ny sekoly ambony

22-sept-2025

Ny Fikambanana Sakaizan'ny Tanora Malagasy no hany manampy sy mampianatra maimaim-poana ireo zanaky ny sahirana ho afaka hanohy fianarana eny anivon'ny sekoly ambony. Ny 20% n'ireo tanora afaka Bakalorea rahateo raha misy no afaka manatanteraka izany vokatry ny fahasahiranana. Andrianaivoson Rado Harivonjy no Filohan'ny fikambanana. Teraka tao anaty fahasarotana sy fahasahiranana tanteraka izy raha araka ny tantara. Lehibe ny lohany vao teraka izany hoe : tratry ny aretina "Hydrocéphalie". Feno rano ny ati-doha nefa koa niady irery ny Reniny. Noho ny hatsaran'ny vintana anefa dia nanaiky ny nandidy sy nametraka"Valve" maimaim-poana taminy ny Profesora iray tao amin'ny hopitaly HJRA. Naharitra an-taonany maro tao an-dohahan'i Rado io valve io ka nisy fiantraikany taminy tokoa ary voatery nalana indray. Nodidiana fanindroany Rado taorian'izany ka velona soa aman-tsara antony nahatsapany fa manana iraka ho an'ny Tanindrazana izy. Nanokatena ho an'Andriamanitra izy nanomboka teo ary nisafidy ny hanampy ny Tanora Malagasy maniry hanohy ny fianarany eny amin’ny Sekoly Ambony ". Nanomboka ny taona 2003 no nanatanterahany io asa soa io ho an'ireo tanora izay tena manam-piniavana marina. Marihana fa i Rado irery no miahy ireo tanora ireo. Miantoka manontolo ny saram-pisoratana anarana sy ny saram-pianarany eny amin’ny ambaratonga ambony. Toraka izany koa ny fanabeazana sy ny sakafo eny hatramin’ny fampiantranoana ireo izay tena mila izany toy ireo efa kamboty. Miantso ireo malala-tanana afaka hifanohana aminy araka izany ny fikambanana. Ny laharam-pindainy 033 10 580 65 no misy Airtel money raha ny 038 53 895 45 kosa no misy ny MVola.
Pati
Légende : Izy no Andrianaivoson Rado Harivonjy aminy !
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap