airtel

Actualités

05-juin-2026

Filohan’ny fanavaozana

"…Azo henjehina ny mpikamban’ny

Sample post image

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

05-juin-2026

Tsy dia miditra loatra amin'ny asan'ny Fitsarana sy ny manodidina azy isika fa izaho indray dia manohana an'ilay hoe tsy azo henjehina ny mpikamban'ny HCC amin'ny fanapahan-kevitra izay raisiny ao amin'ny fivoriana izay ataon-dry zareo. Azo henjehina kosa izy raha misy fahadisoana nataony, na mikononkonona fanongam-panjakana, na misy zavatra nataony, na fahadisoana tany ivelany,...", hoy ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael omaly mikasika ny raharaha HCC izay miteraka fifandroritana teo amin'ny HCC sy ny Minisitry ny Fitsarana. Ny HCC izay nampangain'ny mpitahiry fitombokasem-panjakana ho nisy ampahany nikasa handray ny fitorian'ny depiote Antoine Rajerison izay niampanga ny Fitondrana fanavaozana ho mandika sy manitsakitsaka ny lalàmpanorenana ka tokony hamindra ny fahefana amin'ny sivily. Nitondra valy bontana fa manitsakitsaka ny fahaleovan-tenan'ny Fitsarana sy ny fisaraham-pahefana ny fihetsiky ny Minisitry ny Fitsarana, ary tsy tokony ho azo henjehina amin'ny fanapahan-keviny mikasika adihevitra momba ny raharaha handraisany didy ny HCC. Nilaza tamin'ny alalan'ny Sekretera Jeneraliny Atoa Ranesa Firiana fa tsy voahaja ny tsiambaratelon'ny Fitsarana,... Nampangain'ny Minisitry ny Fitsarana ho mikononkonona fanakorontanana moa ireo mpikambana eo anivon'ny HCC sasany ireo ary miray tendro amin'ny mpanao politika izay efa misy ny nosamborina sy any am-ponja. Andrasana ny tohiny sy ny fanapahan-kevitra eo anatrehan'ny fifanenjanana. Halamina sa hakisaka ireo mpikamban'ny HCC miisa efatra?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap