airtel

Actualités

10-juin-2025

FISEMARE

«Tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà isika!»

Sample post image

Mivoatra be ankehitriny ny raharaha SMMC, hoy ny FISEMARE na Firaisamben’ny

10-juin-2025

sendika malagasy revolisionera ny sabotsy teo tetsy amin’ny biraony etsy Anjanahary. Ny 13 may teo, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael, no nandeha ny fanadihadiana faharoa. Tao anatin’izany, hoy izy, no nisy ny fangatahana fahafahana vonjimaika napetraka teo anivon’ny «Juge d’instruction» na mpitsara mpanao famotorana. Nalefan’ny fampanoavana na «parquet» «soit transmit», izany hoe nafindra, tany amin’ny CDP na «Chambre de détention préventif», izany hoe fitanana vonjimaika izany. Ny 2 jona teo ny CDP namoaka didy fa nahazo fahafahana vonjimaika ireo mpiasa voatana tany am-ponja. Ny manahirana ao anatin’ity raharaha ity anefa dia nitsivalana izany didy izany ny «parquet». Arakaraky ny fitsivalanan’izy ireo nefa no mampitarazoka ny raharaha. Atahorana ho tapitra ihany izany ilay 14 volana voalazan’ny lalàna ahafahana mitana vonjimaika mpiasa iray any am-ponja. Fanahinian’ny «parquet» ny manao izany? Raharaha sendikaly nefa ity fa tsy heloka. Ny 7 aprily ireo no notanana am-ponja vonjimaika. Ny antony nitazonana azy dia hoe fampiasana ny sonian’ireo mpiasa nangoniny mba hahafahana manongana ny tale jeneralin’ny orinasa SMMC. Ny 22 may teo koa dia noroahina ireo mpiasa ireo. Mazava nefa ny voalazan’ny lalàna fa mihoatra ny 14 volana ny fitazonana am-ponja vao afaka manapaka fifanarahana ara-kasa ny orinasa iray. Betsaka ny taratasy nalefa tany amin’ny tomponandraikitra heverina ho mahefa afaka manaraka ny raharaha iray, mamoaka ny rariny, milaza ny marina saingy hatreto, 1 volana mahery izao, mbola eto isika. Ankoatran’ny fihaonana mivantana amin’ireo tomponandraikitra, olom-boafidy izay heverina fa afaka manampy ny mpiasa malagasy, ary efa natao izany, dia ankehitriny dia miantso antsika rehetra, mety samy manana ny finoantsika isika fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà isika fa mitolona amin’ny fanahy eny amin’ny rivotra! Mila mitrotro am-bavaka izao raharaha izao isika satria miha mafy. Arakaraky ny fitarainana atao no mahatonga ny orinasa SMMC manaotao foana, mandika lalàna, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Iaraha-mahita amin’izao fotoana izao

Card image cap
05-mars-2026

Nanao ranty fampahafantarana

Card image cap
05-mars-2026

mbola afaka mianatra

Card image cap
05-mars-2026

Nanolotra 68 miliara Ar ho an’i Toamasina ny Fanjakana Japoney

Card image cap