airtel

Actualités

17-juin-2026

Fisorohana ny hosoka ara-ketra

Tafapetraka ny RCBE

Sample post image

Tontosa omaly 16 jona 2026 tetsy amin’ny

17-juin-2026

Novotel Ivandry ny fanamarihana amin’ny fomba ofisialy ny fanolorana ny rejisitra foibe an’ireo mpisitraka tena izy eto Madagasikara na «Registre central des bénéficiaires effectis», afohezina amin’ny hoe RCBE. Natao izany, hoy ny fanazavàna, ho fanamafisana ny mangarahara ara-bola sy ara-toekarena ary antoky ny hintsiny amin’ny fanatanterahana ny adidy ara-ketra sy mikendry ny ady amin’ny hosoka ara-ketra sy ireo fikoriam-bola tsy ara-dalàna. Sehatra elektronika ahafahana mampivondrona sy mitahiry ireo fanambaràna momba ireo mpisitraka tena izy, izany hoe, ireo olona manana na mampihatra ny fahefàna ao anatin’ny rafitra mizaka zo aman’andraikitra amin’ny sehatra tsy miankina ary ireo fiorenana araka ny lalàna izy io. Voakasika amin’izao fanombohana izao ireo rafitra mizaka zo aman’andraikitra rehetra eo amin’ny sehatra tsy miankina toy ny orinasa ara-barotra, sehatra tsy miankina na ONG, fiarahamonim-pirenena, koperativa, vondrona ara-toekarena, fikambanana, rafitra goavana na «fondation» ary ireo rafitra mizaka zo aman’andraikitra hafa eo amin’ny sehatra tsy miankina ka miasa eto Madagasikara. Tsy voakasika kosa orinasa manokana na «entreprise individuelle» sy ny orinasam-panjakàna raha toa ka 100% ny renivola ananan’ny fanjakàna ao aminy. Atao amin’ny alalan’ny RCBE, hoy hatrany ny foibem-pitantanana momba ny hetra na DGI ny fanambarana izay hetra izay. Mety atao eo am-pananganana ilay rafitra izany na atao isan-taona na fanintsiana raha misy fiovàna. Tsy misy sarany io fanambarana io, hoy ihany ny fanazavàna, ka hanentanana ny rehetra voakasika. 4 taona latsaka izay no niadiana hametrahana azy ity, hoy ny praiminisitra, Mamitiana Rajaonarivelo, ary tanjona voalohany ao anatin’izany ny fisorohana ny hosoka ara-ketra. Hatreto, hoy kosa ny minisitry ny vola sy ny toekarena, ny Dr Herinjatovo Aimé Ramiarison, dia 10% monja ny tahan’ny fitakian-ketra na «taux de pression fiscal» eto Madagasikara raha toa ka 15% ny an’ireo firenena mitovitovy amintsika. Lesoka amin’ny fitantanan-draharaham-panjakàna, hoy izy, no mahatonga ilay harinkarena na PIB 5% io tsy tafiditra satria isika, ohatra, tsy miady amin’ny hosoka. Mitentina hatrany amin’ny 160 tapitrisa Dolara any nefa izay PIB 5% izay. Ny fipetrahan’izao RCBE izao, noho izany, dia misoroka ny tsy hidirantsika ao anatin’ny lisitra volondavenona na «liste grise», izany hoe, firenena mampanahy amin’ny lafiny ara-toekarena eo amin’ny sehatra iraisampirenena, raha ny fanazavàna hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-juin-2026

Nomarihina tamin’alahelo, mbola miandry ny marina…

Card image cap
17-juin-2026

ilay mpamily, afaka ireo mpitsabo 6

Card image cap
17-juin-2026

fa olan’ny fahanteran’ny fotodrafitrasa »

Card image cap
17-juin-2026

Nahazo Tale jeneraly vaovao ny

Card image cap
17-juin-2026

Ny taranja kajy na ny operation sy ny

Card image cap
16-juin-2026

Nanapotsitra ireo maharary ny vahoaka

Card image cap