airtel

Actualités

27-oct-2026

FIZAHANTANY MATIHANINA

Tompon’andraikitra maromaro

Sample post image

notolorana mari-pahaizana sy lasi-piofanana

27-oct-2026

Tompon’andraikitra maromaro misehatra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany omaly Alatsinainy 26 Oktobra no indray nojeren’ny Ministeran’ny asa tanana sy ny mpiara-miombon’antoka aminy hahatonga azy ireo ho matihanina eo amin’ny asa sahaniny. Ho an’ireo « Agent forfaitiste » sy « Responsable de service écotourisme » dia notolorana lasi-piofanana izy ireo. Mari-pahaizana VAE (Validation des Acquis de l’Expérience) kosa no nomena ireo « Guide accompagnateur national ». Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fizahan-tany sy ny Asa tanana, ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa (METFP), miaraka amin’ny fanohanan’ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) no angady nananana sy vy nahitana izany. Tanjona tamin’izao dingana izao ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany sy hampifanaraka ny fanofanana amin’ny filàna vaovao eo amin’ity tontolo ity. Ny fanofanana momba ny asa maha « Agent forfaitiste » sy « Responsable de service écotourisme » raha araka ny fanazavana azo dia natao hanatsarana ny fahaiza-manao mifandraika amin’ny fandrindrana ny dia sy ny fampandrosoana ny fizahan-tany ara-tontolo iainana. Ho an’ny VAE kosa, dia ahafahana manamarina amin’ny fomba ofisialy ny traikefa sy ny fahaiza-manao efa azon’ireo mpitari-dalana nasionaly nandritra ny asa sahaniny izany. Manodidina ny 15 mianadahy teo ho eo moa izy ireo no nisitraka izany izay tena feno fankasitrahana ireo Ministera roa tokoa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo mpahazo tombontsoa notronin’ny Ministry ny fizahantany !
 

Dans la même rubrique

27-oct-2026

Maherin'ny 1000 miliara Ar

Card image cap
27-oct-2026

PRRM fa isika mba ahoana?»

Card image cap
27-oct-2026

Tsy tsindry amin’ny facebook no

Card image cap
27-oct-2026

Nambaran’ny Minisitera fa tsy ankatoaviny

Card image cap
27-oct-2026

Mankarary no sady manakana ny orana tsy hilatsaka

Card image cap
27-oct-2026

Vahoaka 22.000 isa no nampialana voly,

Card image cap