airtel

Actualités

27-oct-2026

MALOTO

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Sample post image

Mankarary no sady manakana ny orana tsy hilatsaka

27-oct-2026

Maloto ny rivotra eto Antananarivo renivohitra amin’izao. Raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetrandro dia tranga miverimberina isan-taona izy io indrindra mandritra ny vanim-potoanan’ny lohataona tahaka izao. Miseho amin’ny endrika zavona manarona ny atmosfera izany, indrindra fa amin’ny atoandro. Antony mahatonga izany raha araka ny fanazavan-dRakotomavo Zo, Talen’ny Fikarohana eo anivon’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro ny loto avy amin’ny asan’ny olombelona, toy ny setroka havoakan’ny fiara, ny doro tanety ary ny fandoroana fako. Mety hisy fiantraikany mivantana amin’ny fahasalaman’ny olombelona anefa ny fahalotoan’ny rivotra. Rehefa voakasika ny poti-javatra mandoto, dia mety hiditra lalina any amin’ny taovam-pisefoana ka miteraka sery, kohoka... indrindra fa ho an’ny ankizy madinika sy ireo efa nahazoazo taona. Ny poti-javatra madinika indrindra kosa dia mety hahatratra ny lalan-dra. Mety hisy fiantraikany amin’ny fiforonan’ny rahona sy ny rotsak’orana ihany koa ny loto sasany eny amin’ny atmosfera. Ny filatsahan’ny ranon’orana ihany araka izany no vahaolana. Mety hampihena ny poti-javatra mandoto eny amin’ny atmosfera mantsy izany ka manampy amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny rivotra hoy hatrany ny fanazavana azo.
Pati
Legende : Betsaka ireo olona tratry ny gripa mahery vokatry ny fahalotoan’ny rivotra eto an-drenivohitra !
 

Dans la même rubrique

27-oct-2026

Maherin'ny 1000 miliara Ar

Card image cap
27-oct-2026

PRRM fa isika mba ahoana?»

Card image cap
27-oct-2026

Tsy tsindry amin’ny facebook no

Card image cap
27-oct-2026

Nambaran’ny Minisitera fa tsy ankatoaviny

Card image cap
27-oct-2026

notolorana mari-pahaizana sy lasi-piofanana

Card image cap
27-oct-2026

Vahoaka 22.000 isa no nampialana voly,

Card image cap