satria angamba misy tsy fifanarahana loatra eo amin’ireo raiamandrenim-piangonana sy ny minisiteran’ny fanavaozana, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Vahoaka miray na Vami, Gaby Vakiniadiana! Fikaonandohan’ny fokonolona eto amin’ny firenena, hoy izy, no tena andrasana fa tsy dia fikaonandoham-pirenena izany satria ny fahazoana ilay hoe fikaonandoham-pirenena dia fikaonandoha andraisana firenena maromaro anjara. Vinavina moa ny antsika ny mikasika ny anton’ny fihemorana fa ny mampametra-panontaniana dia ny hoe maninona no tsy hazavaina amin’ny vahoaka ilay izy? Manalasala ny fanazavàna mikasika ny rafitra misy ankehitriny hoe fisoloana toerana na «intérim» sa tetezamita? Raha «intérim» tsinona dia midika fa raha sanatrian’ny vava miala eo ny filohan’ny fanavaozana dia miverina mandray ny toerany izany ilay nesorina tamin’ny toerany. Tsy maintsy tetezamita no dikan’izany no ahafahana manao fikaonandoham-pirenena. Maninona no tsy tsorina hoe tetezamita isika izao? Iny no ahafahana mankany amin’ny fifidianana lalàmpanorenana. Avelao hifidy izay lalàmpanorenana tiany ny vahoaka! Aza omena lalàmpanorenana namboamboarina tany izy fa avelao hifidy izay voavolavolany tanaty fikaonandoha na hiverenana amin’ny faha mpanjaka io na hananganana fanjakàna federaly na hanaovana fanjakàna tokana na hoe «Etat unitaire». Nanome fe-potoana ny fitondràna hoe 24 volana no hitondràny an’io dia tokony omeny mazava izany ny tetiandro hoe hatreto ka hatreto no hanaovana ilay fikaonandoha! Tsy maninona, azo ahemotra aorian’ny fanadinam-panjakàna ilay izy satria mety hoe mbola variana amin’ny fianaran-janany ny ray aman-dreny fa hajaina hatrany na izany aza ilay hoe 24 volana. Ny olantsika tsinona dia nandiso tantara. Raha hiresaka ny datin’ny 25 jona, ohatra, isika. Andro nanomezana fahaleovantena izany. Raha ny tena marina nefa dia fetin’ny foloalindahy izany. Ny 14 oktobra no nahafahan’ny malagasy teo ambany vahohon’ny frantsay tamin’ny alalan’ny Jeneraly De Gaule. Nitondra ny politikan’ny kibo tamin’izany ny filoha Philibert Tsiranana saingy taty aoriana dia lasa nisy politika hafahafa be. Lasa politikan’ny tena manokana na politikam-pianakaviana. Toy izay foana ve no hiainana eto? Te hametraka izahay hoe fanavaozana izao ka rehefa hanavao ihany dia soloy madio tanteraka ny maloto rehetra! Teny an-kianja niara-nanaiky an’izany kanefa toa ireo efa nisy mpitory teo aloha ihany na ireo efa teo ihany no hitan’ny olona eo hatramin’izao? Tsy mbola kitihina hatramin’izao, ohatra, ny HCC nefa nandeha ny porofo tamin’ny fotoan’andro hoe iry sy iry lany tamin’ny halabato. Tokony ho an’ny rehetra ny lalàna ary izay no andavanay ilay hoe «immunité parlementaire» na zo tsy azo enjehina ho an’ireo olom-boafidy. Diovy aloha ny rafitra rehetra! Tsy mila miandry fikaonandoha ny fanalàna forongony, hoy hatrany izy!
J. Mirija
Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa