airtel

Actualités

10-juin-2025

« Groupes » an-jato taonina mandeha solika

Serasera mipoapoaka fa vahaolana tsy antenaina…

Sample post image

feno avokoa ireo fitaovana fototra rehetra ho an’ny fananganana ny tobim-pamokarana

10-juin-2025

herinaratra vaovao etsy Ambohimanambola, izay hitondra tanjaka 105 MW, raha ny seraseram-panjakana. Tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny zoma 6 jona 2025 ireo fitaovana farany andrasana, dia ireo altérnateurs 7, milanja 64 taonina isanisany, sy transformateurs 3 milanja 50 taonina avy. Tsiahivina fa efa tonga hatramin’ny taona 2024 ireo « blocs moteurs » miisa 7, milanja 70 taonina avy, izay anisan’ny ampahany lehibe amin’ny fotodrafitrasa. Midika izany fa feno tanteraka ankehitriny ireo fitaovana ilaina amin’ny fananganana ilay tobim-pamokarana herinaratra vaovao. Ity toby vaovao ity dia natokana hampitombo sy hanamafy ny famatsiana ho an’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA), izay mandrakotra an’i Antananarivo, Moramanga, Ambatolampy, Antsirabe, ary ny Faritra Itasy. Dingana manaraka ny fitaterana ireo fitaovana mankany Ambohimanambola. Hatao mialoha an’izany ny fanamafisana sy fanamerenana amin’ny laoniny ny tetezana miisa 13 amin’ny lalam-pirenena RN2, mba ho afa-mandalo soa aman-tsara ireo fitaovana goavana. Tanjona ny hanamafisana ny fahafahan’ny tambazotra ara-herinaratra amin’ny alalan’ny famokarana matanjaka sy maharitra, ho an’ny toekarena sy ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka amin’ny ankapobeny.

LAZAINA FA MANDANY VOLA FA HATAO IHANY…
Zava-dehibe izany, saingy mampametra-panontaniana hoe : tena hamaha olana sa atao mba hilalaovana ny saim-bahoaka eo anatrehan’izao krizy mangotraka momba ny herinaratra eto. Tsy vao izao rahateo no nanaovana serasera mipoapoaka mikasika azy io satria na ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina aza efa nilalao an’io ara-tserasera ka nilazana fa ho vita sy hiodina ny volana aprily 2025, avy eo indray nolazaina fa alohan’ny 26 jona,… Tany amin’ny septambra 2024, nolazaina mihitsy hoe : tsapako ny fijalian’ny vahoaka, tsy maintsy mitondra vahaolana. Isan-tsegaondra, isa-minitra, isan’ora,… vao mampirehitra jiro isika dia fantiantoka ho an’ny Jirama. 0,25cents dolara ny Kwh, kanefa ny hivarotana azy dia 0,15cents. Hatramin’izay dia 250 tapitrisa dolara isan-taona ny vola tsy hoentin’ny Fanjakana hanampiana ny Jirama. Tsy maintsy hatsahatra izany satria anatin’ny folo taona izany 2,5 miliara dolara, ka tokony efa nahavitana tohodrano, ahafahana mahazo 300MW amin’ny herin’ny masoandro, ka nividy « parc solaires », hampihenana ny fividianana solika, ka ao anatin’ny herintaona hametraka 200MW, ny 100 atao eto Madagasikara, hoy ny seraseran-dRajoelina. 200 MW anatin’ny herintaona,1000MW anatin’ny 4 taona ho avy. Hamokatra famokarana herinandratra mandeha amin’ny masoandro lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ary mety ho lehibe indrindra aty Afrika ary,... Efa hiherina ny taona ka asa hoe misy 200MW mitsangana tokoa ve ? Nihena ve ny delestazy ?

FANDANIANA MIHOAMPAMPANA, VOLA TSY MISY
Tsy maintsy mampiasa milina mandeha amin’ny solika ngezabe ao Ambohimanambola, hoy i Andry Rajoelina tany amin’ny septambra 2024 rehefa nangotraka ny delestazy. Nolazaina fa 40 000litatra ny fandaniana mandritra ny adin’ny efatra, 200 tapitrisa Ar isan’andro, ka nanehoana fa hatramin’ny volana novambra, mandra-pahatonga ny fahavaratra, nilazana fa hiverina amin’ny laoniny ny famokarana herinaratra. Tamin’izany no nanomezan’i Andry Rajoelina toromarika fa tokony hampiodinina ireo milina goavana rehetra mba hampihena hatramin'ny 80% ny fahatapahana, ary tsy tokony ho tapaka intsony amin’ny ora fiasana, fa poakaty, tsy nahomby. Resaka milina mandeha amin’ny solika no noresahana tamin’izany, kanefa ny Fanjakana ihany dia efa mandiso ny safidy ataony amin’ny hoe : fampihenana ny fandaniana solika izay mandany vola. Nitsefotra tsy nahomby ny vahaolana vonjimaika noresahana, ka tena hisy fahombiazana ve ity resaka milina an-jato taoniny maro hanaovana serasera mirefodrefotra ity ? Manana ny hoenti-manana hividianana solika hanodidina izany ve ny Jirama sy ny Fanjakana ? Tsy tsara kokoa ve raha tonga dia tany Toamasina no natsangana eo anatrehan’ny mety ho mbola fiarakan’ny fandaniana amin’ny fitaterana solika sy ny maro hafa ? Dia ho hita eo indray fa efa betsaka izay balarora izay e !
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap