nilaza fa "Tondrozotra na "Feuille de route", tsy hitovy amin'ny 2009 velively no ataontsika, fa tena hifantoka amin'ny fiainan'ny vahoaka Malagasy, fokonolona". Namafisiny fa tena fialana amin'ny ziogan'ny mpanjakatany, Madagasikara mahaleo tena, manana ny fiandrianany,... no tanjona. Ny 2009, hoy izy, famahana olana politika fa ity hamahana ny olana sosialy, toekarena, fampianarana,... ka tsy ho tondrozotra politika fa tena fanarenana ny Firenena. Nambarany fa ny 2009-2011 dia noterena, betsaka no tsy tanteraka, tsy araka ny tombotsoa tadiavin'ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy. Mikasika ny fangatahan'ny SADC, dia niresaka tamin'ny Filoha, Praiminisitra, MPCR,... ireo, ka tsy nisy resaka hoe tsy maintsy manao an'izao sy izao, fa ny Fanjakana no nanao sori-dalana hanehoana fa mandeha amin'ny fanavaozana. "Raharahan'ny Malagasy samy Malagasy ity! Efa vita ny tondrozotra ! Anjaran'ny PRRM no milaza ny mombamomba azy! Hataony sonia rehefa tafaverina avy any Frantsa", hoy hatrany ny Minisi-panjakana nanipika fa ho taonan'ny fikaondoham-pirenena ny 2026.Eto kosa, tsy misy zavatra noterena hataontsika fa sitrapontsika ny Fikaonandoham-pirenena, hivoahana amin'ny krizy, hidirana Repoblika faha-5. Isika Malagasy no namolavola azy, miara-miasa akaiky amin'ny Fiadidian'ny fanavaozana izay mitarika amin'ny maha ao anatiny ny MPCR. Nomarihiny fa misy ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombon'antoka, fa tsy misy tsindry. Tsy mahavita tena irery, miara-miasa amin'ny Rafitry ny Firenena Mikambana, Firenena sy fikambanana maro: EISA, Sinoa, EISA, Allemagne, Turquie,... Ao anatin'ny lalan-kizorana, tsy maintsy mandalo Komity mpandrindra na "Comité de pilotage" ahitana ny Filohan'ny fanavaozana, Praiminisitra, MPCR, Minisiteran'ny toekarena, Atitany sy fitsijaram-pahefana, FFKM, izay mankatoa sy manamarina ary mampanankery ny tondrozotra. Misy ihany koa ny Conseil consultatif : tendren'ny Fiadidian'ny fanavaozana. Rehefa hanova lalàna fototra dia tsy maintsy manova lalàmpanorenana, miafara amin'ny fifidianana, ny vahoaka Malagasy no masimandidy amin'izay ho tapahana hoe ahoana ny lalàmpanorenana, ny lalampifidianana, ny fifidianana hatao, ny fanavaozana isan-tsehatra,...
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»