airtel

Actualités

23-avril-2026

Hoavin'i Madagasikara

Manomboka amin'ny fanatsarana

Sample post image

ny Fanabeazana

23-avril-2026

Miainga amin’ny fanomezana fitaovana sy fanomezana vintana, ny Fanavaozana ny firenena, araka ny vinan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Efa manomboka ny fametrahana ny fototra ka laharam-pahamehana amin'izany ny fanabeazana : fizarana fitaovana ho an’ny Oniversite sy ny mpiasam-panjakana tao Fianarantsoa ; fanamafisana ny asa sy ny fahafahan’ny fitantanan-draharaha tao Ihosy ; fanolorana solosaina, hubs numériques, smartphone aman’arivony… Ary teo no nanombohan’ny wifi maimaim-poana ho an’ny mpianatra ao Barikadimy Toamasina. Eo koa ny fanohanana ny oniversite sy ny sampan-draharaham-panjakana, Master Class sy fampianarana momba ny Intelligence Artificielle tao Toliara ary fanomezana solosaina ho an’ny Oniversiten'i Mahajanga nataon'ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, ary mbola hivelatra manerana ny Nosy, ao anatin’ny fanatanterahana ny vina hampihena ny elanelana ara-nomerika, hanamafy ny fahaiza-manao ary hanokatra làlana ho amin’ny hoavy mamiratra mba hanana vintana mitovy ny tanora Malagasy tsirairay, na aiza na aiza misy azy. Ny Fanavaozana ny firenena rahateo dia tsy voafetra amin’ny fotodrafitr’asa hita maso ihany, fa amin’ny fanamorana ny fahazoana fahalalana, amin’ny fanohanana ny nofin’ny tanora, ary amin’ny fampitoviana ny vintana hahafahan’izy ireo mivoatra. Satria ny tanora tsirairay dia harena, ary ny vintana omena azy androany no hanova an’i Madagasikara rahampitso.
Jean D.
Fizarana fitaovana ho an'ny tanora hahafahany manatanteraka ny nofinofiny
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap