airtel

Actualités

11-juil-2025

KAOMININA ALASORA

Hotohizana ny ezaka vita

Sample post image

Hotohizana ny ezaka vita ho an'ny Kaominina ambanivohitr'Alasora, distrikan'Avaradrano.

11-juil-2025

Tontosa soa aman-tsara afak'omaly Alarobia 09 Jolay ny fandrafetana ny teti-bolan'ny kaominina taona 2026, notarihin'ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy. Nanotrona azy tamin'izany ny rafitra ifotony ho an'ny fikaonan-doha na ny RIF...Haroso manoloana ireo mpanolon-tsaina kaominaly amin'ny tapaky ny volana Aogositra ho avy izao mandritra ny fivoriana hotontosain'izy ireo ny fanapahan-kevitra tapaka tamin'izany izay marihina fa miompana amin'ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka avokoa. Lohalaharana amin'ireo ny fanohizana ny ezaka efa vita toy ny asa fanamboarana sy fikojana ny lalana, ny fanomezana sakafo ireo ankizy miatrika ny fanadinam-panjakana CEPE, ny fanomezana cours maimaim-poana ireo mpanala baka sy bepc, ny fandrakofana jiro ny lalana, ny fikarakarana ireo karazana vakoka, ny fampiroboroboana ny lafin'ny fanatanjahantena hiarovana ny tanora tsy hanaotao foana, ny fanohanana ireo tantsaha mpamokatra....Ezaka efa natao hatramin'izay avokoa ireo hoy ny Ben'ny tanana saingy mbola hotohizana hatrany ho fanomezana fahafaham-po ny vahoaka.
Pati
Légende : Randriantsoa Jimmy, Ben'ny tananan'ny Kaominina Alasora miatrika ny fampandrosoana amim-pitsikiana ! 

Dans la même rubrique

07-sept-2026

demokrasia no tena mipetraka ny kolikoly»

Card image cap
07-sept-2026

Tsy mba miova ny tantara fa ny

Card image cap
07-sept-2026

hanamboaran-dalana eto Madagasikara

Card image cap
07-sept-2026

Hametraka ho laharam-pahamehana

Card image cap
07-sept-2026

Voalaza ho antony nahafaty olona tao amin’ny "Bloc opératoire"

Card image cap
07-sept-2026

Sinoa roalahy voatana am-ponja ao Tsiafahy

Card image cap