airtel

Actualités

04-févr-2025

Kaporaly tokony ho 30 taona

Ny zaodahiny no voalaza ho namono azy tamin’ny famaky

Sample post image

Miaramila iray tokony ho 30 taona mitondra ny galona kaporaly no maty nisy namono

04-févr-2025

teny Bejofo Mahitsy, ny marainan’ny 2 febroary 2025 teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Raha ny voalaza dia ny zaodahiny, izay mipetraka ao aminy ihany, no namono azy. Nahitana ratra ivelany izy satria vaky ny lohany araka ny filazan’ireo nanatri-maso. Nihosin-drà tao amin’ny efitra natoriany ary nahitàna famaky nihosin-drà ihany koa. Tamin’ilay miaramila mbola naratra mafy no fantatry ny fokonolona ny zava-niseho ka nirohotra nandeha nankany izy ireo. Anisan’ny tonga tany an-toerana ihany koa ny sefom-pokontanin’i Bejofo ka izy no nampandre ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Mahitsy tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Raha vao nandre izany ireo mpitandro filaminana dia nandeha nankany amin’ilay toerana ary tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo tany dia efa nentin’ny fokonolona tany amin’ny hopitaly Bejofo ilay miaramila naratra mafy. Noho ny ratra mafy nahazo azy dia tsy vitan’ny hopitaly tany an-toerana ny fitsaboana ka nentina ho aty amin’ny hopitaly HOMI Soavinandriana saingy teny an-dalana no tsy tana intsony ny ainy ka naverina tany amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Bejofo ny razana. Araka ny fanazavana dia eni-mianaka izy ireo no miara-mipetraka ary anisan’izany io zaodahiny voarohirohy ho nahavanon-doza io, miampy an’ilay miaramila efa-mianaka sy ny zana-drahalahin’ity kaporaly ity. Tsy fantatra mazava aloha hatreto izay tena antony nahatonga izao vono olona izao. Raha vao niseho ny loza ka niantso fokonolona ny tao amin’ilay trano dia nivoaka tao ary nandeha nandositra ilay zaodahiny ka mbola tsy hita. Efa mandeha ny famotorana mikasika ity raharaha ity sy ny fikarohana ny nahavanon-doza, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
29-avril-2026

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

Card image cap
29-avril-2026

Adihevitra tato ho ato ny

Card image cap
29-avril-2026

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

Card image cap