airtel

Actualités

27-févr-2026

Kolikoly avo lenta,

fanodinkodinana volam-panjakana,... Kaonty 813 sy 200 miliara Ar

Sample post image

eo gejaina, miandry didy ny afera Rajoelina sy Ntsay..

27-févr-2026

Navoakan'ny Sampan-drandraha misahana ny famerenena amin’ny Fanjakana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna na ny ARAI omaly 26 febroary 2026 ny tatitra mikasika ny asan'izy ireo ho an'ny taona 2025. Miisa 281 ny didim-pitsarana, ka 219 no tanteraka manome 78%. Miisa 207 tamin'ireo didy ireo teto Antananarivo avokoa izay 74% no vita. 114 ny fanagiazana na "gels" manerana ny Nosy izay vita 100%. Ny 56 tamin'ireo teto Antananarivo. Ny fitazonana na "saisies" teo amin'ny 129 ny didy, 95 no vita, manome 74%. Didy miaraka "gels" sy "saisie", 35 ka 10 tanteraka, izay teto Antananarivo ny 30. Anton'ilay taha ambany dia mbola misy fananana karohana. "Confiscation" miisa 3 ny didy raikitra , ka ny iray avy any Mahajanga no tena vita, manome 33%, raha amin'ny ampahany betsaka ny 2 eto Antananarivo, mbola misy fananana giazana. Isan'ny olana ny mbola fijarohana ireo fananana. Ny 124 tamin'ireo heloka dia famotsiam-bola na famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana 106 fanodinkodinana volam-panjakana, 107 fanararaotam-pahefana, 92 kolikoly, 12 fanomezana tombondahiny (favoritisme), 8 tsy fantatra mazava, 4 tombotsoa mifampiditra.
KAONTIM-BOLA 813 NOGIAZANA
Ara-bola, manodidina ny 200 miliara Ariary mahery ny vola nogiazana tao anatin'iny taona iny. 813 ny kaonty amin'ny banky sy rafitra nogiazana nahitana vola 136 871 482 443, 15Ar, vola 945 590 euros kaonty 36. Misy 140 512 dolara izay kaonty 24 no voakasika, misy kaonty 6 hafa tsy nahitana vola, ny mobile Money kosa teo amin'ny 2,8 tapitrisa Ar mahery tamin'ny kaonty 114 izay maivana kokoa. 14 545 372 550Ar tamin'ny kaonty 85 no naverina amin'ny tompony, taorian'ny didim-pitsarana manome 10% amin'ny vola voaheja no naverina. Fiara 116 sy moto 113 ary tany miisa 80 manana velarana 518 hektara ihany koa nogiazana. Misy manganèse 250 taonina teny Fort Dauphin izay tsy lafo satria ambany loatra ny tolotra ka haverina hatao amin'ity taona ity. Mikasika ny fanodinkodinam-bolam-panjaka sy ny fanararaotam-pahefana, tafakatra 641 ny fitambaran’ny olona voakasiky ny fampiharana ny didim-pitsarana, ka 41 ny olona tena nisitraka ireo harena na bénéficiaires effectifs" azo tamin’ny tsy ara-dàlana. Ny 15% amin'izany no mpiasam-panjakana, 65% amin'ny sehatra tsy miankina, tsy voafaritra ny 20%. Saika olona akaiky ny mpitondra teo aloha ny ankamaroan’ireo voaenjika amin’ity raharaha harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna ity, raha ny fanamarihana. 143 ka 117 no tanteraka ny voaray tamin'ny fanodinkodinana volam-panjakana, 14 tao Mahajanga, 45 Fianarantsoa, 84 Antananarivo.

MIANDRY DIDIM-PITSARANA NY AFERA RAJOELINA
Manodidina ny aferan'ireo mpitondra teo aloha hatrany, nambaran'ny Tale Jeneralin'ny ARAI Atoa Rajohnson Rado fa, miandry ny didim-pitsarana vao afaka miroso amin’ny fanagiazana ny fananan’ny filoha teo aloha Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian. Miankina amin'ny fanapahan-kevitra sy didy avy amin'ny Fitsarana no ahafahan'ny ARAI mangeja izany mazava ho azy. Ny an'i Mamy Ravatomanga moa efa ny desambra 2025 no nambara fa giazana ny kaonty 99 misy vola 88 miliara Ar eo izay mifanalavitra be amin'ny sora-bola 20 miliara dolara mahakasika azy atsy Maurice. « Ny mpiasan’ny poliknika mino aho fa efa naharay ny karamany daholo. Nisy didim-pitsarana nandidy ny fandoavana ny karama, mpiasa manodidina ny 4500 . Rehefa nojerena ny sora-bola dia tsy ampy. Rehefa nojerena dia manana fahafahana mandoa ny Amarante sy Poliklinika , saingy tsy tanteraka. Amin’izao anefa dia efa vita izay», hoy ny Tale Jeneralin’ny ARAI.

TSY EKENA NY TSIMATIMANOTA...
Isan'ny soatoavin'ny ARAI ny fangaraharana ary miara-misalahy hatrany ireo rafitra 5, hoy ny Tale Jeneralin'ny ARAI Atoa Rajohnson Rado. Ity farany izay nilaza fa amin’ny lafiny iray dia betsaka ny asa vita, saingy amin’ny lafiny iray dia tena mbola betsaka sy goavana ny kolikoly eto amin’ny Firenena izay tena ilàna ezaka be. Isan'ny niteraka ny fitakiam-bahoaka ny tsy fisian'ny fahintsiana sy ny tsy fangaraharana, hoy kosa ny Filohan'ny CSI Atoa Andriamifidy Jean Louis. Notsiahivina fa iray volana lasa dia nanome baiko hentitra mikasika ny ady amin'ny kolikoly 2025-2030 ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo : Fampiharana ny lalàna sy fampiharana ny lalàna amin'ny rehetra na iza na iza hiadiana amin'ny tsimatimanota, ny fampiasana ny teknolojia (digitalisation) toy ny hetra, fangaraharana ny fitantanana ny volam-panjakana ka tsy handeferana izay manodinkona, fanaraha-maso akaiky ny volam-panjakana sy tsenambaro-panjakana, hanagiazana ny fananana azo tamin'ny kolikoly izay haverina amin'ny kitapombolam-panjakana hanasoavana ny vahoaka,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap