tsy fandriampahalemana, tsy fananan’asa,… Tato ho ato ohatra, miha mangotraka ny fahatapahan-jiro saika manerana ny Nosy indrindra ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina izay mahatra adin’ny roa na adin’ny telo intelo miditra isan’andro, na tontolo andro aza indraindray. Ny rano moa tsy resahana intsony ka ankoatra ny olana isan’andro dia nolazaina fa hihamafy kokoa ao anatin’ny 15 andro amin’ny toerana sasany araka ny seraseran’ny Jirama. Vokatr’izany, nirefotra indray ny fitokonan’ny vahoaka toy ny teny Andraharo, Tanjombato omaly. Nanakan-dalana, nandoro kodiarana,… izay niteraka fitohanana lavareny. Leo izahay !Manomboka amin’ny 7ora maraina no tapahana dia amin’ny 7ora hariva no halefa, mijaly ny vahoaka », hoy ny mponina. Betsaka izay fampanantenana mikasika ny famahana olana ara-tsosialy izay fa poakaty, am-polo taonany propagandy ihany. Manampy izany ireo toe-draharaha mafana toy ny Base Toliara, ny fifandirana etsy amin’ny Antenimierampirenena saingy mbola ny sehoseho ivelany hatrany no iatrehan’ny Fitondrana Rajoelina amin’ireny. Mbola vanja milevina mety hifoha ny lonilony politika nateraky ny fifidianana, mitohy amin’ny mbola fanatsimbadihana vokatra volana maro aty aoriana. Tsy misy fitantanana mandeha amin’izay laoniny, ary manomboka tsikafonin’ny depiote sasany ihany koa ohatra ny tsy fanintsiana ny tetibolam-panjakana kanefa misy vola tsy mazava toy ny 80 tapitrisa dolara avy amin’ny sinoa tsy hita tao anaty LFR kanefa tsy ao anaty LFI, ny lafiny ara-tsosialy toy ny vidim-piainana izay nofaritana fa 7% mahery kely kanefa tafakatra 8,4% ny volana martsa teo araka ny tatitry ny Banky Foiben’i Madagasikara. « Tsy mangarahara ny fitantanana ny volam-panjakana, ary tsy mahomby ny fitondram-panjakana. Efa atao toy ny tsy misy ilàna azy ny antenimierampirenena », hoy ny depiote iray.
SEHOSEHO IVELANY, FAMONOANA AFO, FANESOANA VAHOAKA
Andaniny, sehoseho ivelany no entin’ny Fitondrana Rajoelina miatrika ny zava-misy ankoatra ny famoretana. Any Nosy Be indray ny mpitondra manomboka anio rehefa avy niezaka nipasoka daomy tany Toliara saingy tsy nahomby. Mafana ihany koa ny adihevitra mikasika ny tetikasam-panjakana na fifanarahan’ny Fanjakana amin’ny tsy miankina sy ny vahiny ao Nosy Be toy ny resaka Nosy Sakatia, ka io mandeha io ny fampandrian-tany. Lazaina fa tsy misy distrika ho adino. Asa tena tsy hadino ve ny distrika manerana ny Nosy eo anatrehan’ny faharatsian-dàlana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fandriampahalemana, tsy fananan’asa, delestazy,… Tena mifanaraka amin’izany ny politikam-pitantanana sa haingo ambony tsikoko toy ny rano mitsifitsifitra, Mc Donald’s, teleferika, … no hihazakazahana ? Rehefa zohiana ny sary politika ankehitriny, feno ny fepetra mety hisian’ny fipoahana, indrindra fa mbola misy ny tetika politika hikitika sy hanova lalàmpanorenana hahafahan’i Andry Rajoelina manao fe-potoana hiasana 5 taona. Matoky tena, matoky basy, matoky vola,… ny mpitondra saingy mihasarotra ny toe-draharaha.
Toky R
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira
Hilatsaka hatramin'ny 3°C ny marimpana ambany indrindra ao Antsirabe
Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena,
Mitohy ny fandromban'ny mpijirika ny harem-pirenena Malagasy.