ny tolo-dalàna laharana faha 001/2025 momba ny famokarana sy fivarotana toaka gasy eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara izay natolotry ny depiote voafidy tao Ambositra Andriamihaha Fanomezantsoa Yves Georges dit Liva Rason rehefa niadiana hevitra ka nasiana fanitsiana. Lany 100% ny tolo-dalàna, izay nomarihin’ny depiote nanolotra azy fa nojerena ny lesoka tamin’ireo lalona teo aloha, nentina ny fanatsarana. Tafiditra ao anatin’io ny arofanina samihafa toy ny famantarana mazava na « traçabilité ». Ny arofanina toy ny famaritana, fa 1 ka hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina ny mpanao toaka gasy hosoka, toy ny fampidirana laro mety hampidi-doza. Onitra hatrany amin’ny 5 hetsy Ar,… Efa fanintelony ny tolo-dalàna natolotra sy nolaniana, tsy nisy tohiny ny 2 voalohany, ary ny iray farany nialohan’izao dia voasakana teo amin’ny Antenimierandoholona. Malalaka amin'ny ampahany fa mila fanarahan-dalàna sy fampanarahana fenitra ity resaka toaka gasy ity, izay tsiahivina fa efa nitondra tolo-dalàna mikasika azy io ny depiote teo aloha Brunelle Razafitsiandraofa, saingy tsy tody hatramin’ny farany. Mbola handalo etsy amin'ny Lapan'ny Antenimierandoholona etsy Anosikely indray ity tolo-dalàna ity 04 jona ho avy izao ka asa izay ho fandehany. Mifamatotra amina fiharian-karena ho ana ampahana tantsaha Malagasy ny resaka toaka gasy fa indrindra indrindra mifamatotra amin'ny kolontsaina Malagasy na an-kafaliana na an-karatsiana. Isan'ny tena adihevitra kosa ny fomba fanamboarana azy, ny tahan’ny alikaola, ny fitehirizana, ary ny fitsinjarana azy,... mba hanara-penitra. Mamelona olona maro, sotroin'ny Malagasy maro,... saingy mbola nosokajiana ho tsy ara-dalana, nafenina, henjehina,... ka lojika raha dinihina sy iadian-kevitra mba hampidirina amin'ny sehatra manara-dalana sy manaraka kalitao. Ara-toekarena sy ara-tsosialy, efa betsaka izay fanenjehana sy fandrarana izay fa tsy nahasakana ny fipariahany eny anivon'ny fiarahamonina manerana ny elakelan-trano manerana ny Nosy. Tsy hoe: mankasitraka ny fivarotana toaka gasy na tsia fa ny zava-misy dia tsy voafehy na sakanana aza, ka zava-dehibe ny fijerena ny lafiny lalàna hitondrana fanatsarana ara-kalitao, fa manamora ny fampidiram-bola amin'ny kitapombolam-panjakana ihany koa ny fampidirana ho ara-dalàna ilay seha-pihariana satria hatramin'izay dia nivadika ho bizina ho ana ampahan'olona ny fahatrarana toaka gasy.
Toky R
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira
Hilatsaka hatramin'ny 3°C ny marimpana ambany indrindra ao Antsirabe
Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena,
Mitohy ny fandromban'ny mpijirika ny harem-pirenena Malagasy.