airtel

Actualités

10-juin-2026

Lasa fiainan’ny Malagasy

famonoan-tena

Sample post image

Tafakatra 5,5% amin'ny mponina 100.000 no manao izany

10-juin-2026

Lasa zary fiainan'ny Malagasy ankehitriny ny famonoan-tena. Raha araka ny tatitry ny Sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS mantsy dia ny 5,5% amin'ireo mponina miisa 100.000 eto Madagasikara no manao izany. Antony maro no mahatonga izany hoy Razanabahiny Victorine, psikology. Voalohany ny firoboroboan'ny teknolojia arahin'ny fijerena horonan-tsary mihetsika izay tsy voatery amin'ny vata fahitalavitra intsony. Lasa maka tahaka loatra isika Malagasy hany ka manaotao foana nefa ny fari-pahalalana sy ny traikefa tsy mitovy. Eo ihany koa fidirana amin'ny fitiavana aloha loatra. Taloha hoy izy 20 taona ny tanora vao miditra eo amin'ny sehatry ny fitiavana. Ankehitriny kosa vao 12 taona dia efa manao izany ny ankizy nefa tsy ampy fahalalana sy fanabeazana ary traikefa. Tsy tia mihaino ny Ray aman-dReny sy ny mpampianatra ary ny fanjakana intsony ihany koa fa variana amin'ny filalaovana finday hany ka ny famonoan-tena sisa no hita fa vahaolana rehefa misy zavatra mitranga. Ankoatra ireo dia ny fikorontanan'ny fiaraha-monina, ny fahantrana ary ny resa-politika dia anisan'ny antony manosika ny Malagasy hamono tena ihany koa.Fantatra moa fa any amin'ny laharana faha- 123 i Madagasikara amin'ny resaka famonoantena manerana izao tontolo izao. Nomarihin'ity psikology iray fa tsy misy dikany amin'ny Malagasy intsony ny aina vokatr'ireo rehetra ireo.
Pati
Légende : Miainga amin'ny hakiviana sy ny fahaketraha ara-tsaina tahaka izao ny famonoantena !
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

no tsy manao ezaka mianatra»

Card image cap
19-juin-2026

Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa

Card image cap
19-juin-2026

lehibe ny tananan'i Talatamaty

Card image cap
19-juin-2026

nalentiny tao anaty rano ny zanany

Card image cap
18-juin-2026

manoloana ny raharaha Iran sy Etazonia

Card image cap
18-juin-2026

Lehilahy iray mpanao saribao naiditra am-ponja vonjimaika

Card image cap