airtel

Actualités

03-nov-2025

Madagasikara

Niala tsy ho mpitantana ny SADC

Sample post image

Nanapa-kevitra ny Fanjakana Malagasy

03-nov-2025

tamin’ny alalan’ny Fiadidian’ny fanavaozana ny Repoblika, fa hiala amin’ny fitantanana ny SADC i Madagasikara, andraikitra noraisiny tamin’ny 17 Aogositra 2025 nandritra ny fihaonamben’ny Filoham-panjakana sy Governemanta faha-45 nataon’ny SADC natao teto amintsika. Fanapahan-kevitra noraisina manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha politika nasionaly. Maneho ny faniriana sy finiavan’ny Tompon’andraiki-panjakana malagasy mahefa hampifantoka ny ezaky ny Firenena amin’ny fanatanterahana ny dingan’ny Fanavaozana ny Repoblika, araka ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana n°10-HCC/D3 tamin’ny 14 Oktobra 2025. Tanjona amin’izany ny hananganana andrim-panjakana matanjaka, hanamafisana ny firaisam-pirenena ary hiantohana ho avy anaty fitoniana sy fandrosoana maharitra. Ity fanapahan-kevitra ity dia tsy manala mihitsy ny firaiketan’i Madagasikara amin’ny SADC. Mifanohitra amin’izany, ny Fanavaozana, izay iriana sy takian’ny vahoaka malagasy, dia mikendry ny hametraka fandriampahalemana maharitra, fitoniana ary fampandrosoana, mifanaraka tanteraka amin’ny soatoavina naroson’ireo Raiamandreny mpanorina ny SADC ary voarakitra ao anatin’ny andinindinin’ny lahatsoratra fototry ny SADC, hoy ny Fiadidian’ny fanavaozana ny Repoblika tarihin’ny Kolonely Randrianirina Michael. Tafiditra ao anatin’izany ny fanavaozana manorina, izay antoky ny fanamafisana ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana sy ny firaisankina eo amin’ny Faritra. Entanin’ny foto-kevitry ny firaisankina sy ny firaisam-paritra tohanan’ny SADC, i Madagasikara dia manamafy ny fahavononany tsy tapaka hiara-hiasa amin’ireo firenena mpikambana ho an’ny Afrika Atsimo mitambatra sy miroborobo kokoa, hoy hatrany ny Fanjakana. Raha hiverenana, anjaran’i Madagasikara no nitantana ny SADC amin’ny maha ifandimbiasana na « présidence tournante » ka raha niova ny fitantanana an’i Madagasikara dia izay filoha mitantana ny Firenena no tokony ho Filohan’ny SADC fa tsy i Andry Rajoelina izay tsy filoha intsony nanomboka ny 14 oktobra 2025 izany hoe 1 volana sy 27 andro taorian’ny fivorian’ny SADC. Nisafidy ny hifantoka bebe kokoa amin’ny raharaha anatin’ny Firenena anefa ny Fanjakana Malagasy, ka dia io niala tsy ho mpitantana ny SADC io i Madagasikara, fa kosa misokatra amin’ny fiaraha-miasa marolafy ao anatin’io rafitra io.
Toky R