airtel

Actualités

23-oct-2025

Mafana ny afera Ravatomanga

Netsehina ny "Interpol", raikitra ny fisavana...

Sample post image

Mihamafy ny raharaha sy afera mikasika ny

23-oct-2025

mpandraharaha Mamy Ravatomanga na any ivelany na eto an-toerana. Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Financial Crimes Commission (FCC) any Maorisy, izay voalaza fa misy fanagiazana vola mitentina 180 tapitrisa dolara tamina banky maromaro any an-toerana. Miandry azy hivoaka ny toeram-pitsaboana amin’ity herinandro ity ny FCC hanaovana fanadihadiana mivantana. Nisy fangatahana ofisialy fampodiana an-tanindrazana (demande d’extradition) nalefan’ny Fitsarana malagasy sy ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, izay eo am-pandinihina amin’izao fotoana izao ao amin’ny Attorney General any Maorisy. Misy ihany koa ny didy fampisamborana iraisam-pirenena navoakan’ny PAC tamin’ny 16 oktobra, na dia nolavin’ny Tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny Sampam-pitsarana io aza ny fisiany, saingy nanamafy ny fisiany ny mpisolovava Maître Éric Rafidison sy loharanom-baovao hafa avy amin’ireo tompon’andraikitra miantsoroka ny dosie. Navoaka ihany koa ny “Demande de publication de notice rouge” amin’ny INTERPOL (Organisation internationale de police criminelle) mitondra ny datin’ny 20 oktobra. Ny “notice rouge” dia filazana iraisam-pirenena avoakan’ny INTERPOL mba hitadiavana sy hisamborana olona iray izay voarohirohy na voampanga amin’ny heloka bevava, amin’ny fangatahan’ny firenena iray mpikambana. Tanjony ny hanamora ny fisamborana vonjimaika ilay olona amin’ny firenena hafa, miandry ny "extradition" na fampodiana azy any amin’ny firenena nangataka izany. Tsy mitovy amin’ny didy fampisamborana navoakan’ny fitsarana iray anefa ny "notice rouge". Tsy manery ara-dalàna ny firenena mpikambana hanatanteraka azy, fa fampahafantarana sy fangatahana fiaraha-miasa amin’ny polisy iraisam-pirenena. Amin’ny raharaha Mamy Ravatomanga, midika fa mangataka amin’ny Interpol i Madagasikara mba hampahafantatra amin’ny firenena rehetra fa mitady an’i Ravatomanga izy, ary maniry ny hisamborana azy raha hita any amin’ireo firenena ireo.
MISY LESONA MILA TSOAHINA
Ankoatra izay, nosavaina omaly ny tranon’ny zanany sy ny an’ny mpiasany iray ao avaratr’i Maorisy, ary teto Madagasikara dia natao "perquisition" ihany koa ny MSA (Madagascar Security Academy), ny Golf du Rova Luxury Hôtel,... notarihin’ny SCAC na Service Central des Affaires Criminelles nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva. Voalaza fa nanatrika ny fisavana ny solontenan’ny orinasa. Mihazakazaka ny fanenjehana an'i Mamy Ravatomanga sy fisavana ny fananany. Izy izay henjehin'ny Fanjakana ho nanao fangoronan-karena tsy madio, nangorona tombotsoa tsy ara-dalàna, nanao kolikoly avo lenta,... Na izany aza, mbola tsy nisy fanapahan-kevitra ofisialy noraisin’ny Fanjakana mikasika ny fandravana ny MSA, izay nambaran’ny mpahay politika sy tokerana Farantsay Olivier Vallée fa manana milisy matanjaka noho ny polisin’Antananarivo. Tsy mbola nisy ihany koa fanapahan-kevitra fangejana ny fananany na volany eto an-toerana. Zava-dehibe ny finiavana hijoro hiady amin’ny tsy maty manota asehon’ny Fanjakana. Mila jerena ihany koa anefa hoe : sao isika tafaroboka amin’ny fifamotehana eto, ka rehefa misy fiovana sy fitsimbadihana fitondrana dia tsy maintsy misy mpandraharaha lehibe potika na mitsoaka any ivelany na migadra, fa ireo vahiny manjakazaka sy mamotika ary tena misy mafia, mitombo ny ambaindain’ny harenany ? Niharan’izany i Marc Ravalomanana ny 2009 rehefa potika sy may ny Tiko sy ny orinasany maro izay niteraka fahaverezana asa maro. Nopotehina ry Mbola Rajaonah izay nogadraina ny 2019 rehefa tonga ry Rajoelina dia nikatona ny orinasany maro. Niharan’ny antsojay ny Madagascar Airways-ndry Raobelina Andry kanefa ny AirMadagascar maty,… Dia io ihany koa i Mamy Ravatomanga izay mety ho sarotratsarotra ihany ny fisamborana azy, fa ireo olona mety tsy manan-tsiny niasa tamin’ny orinasany mety hanao ahoana ? Tsy midika ho fiarovana ny tsy maty manota, fa misy lesona mila tsoahana sy fanovana mila atao koa eo amin’ny fidirana mivantana na ankolaky ny mpandraharaha ao anaty Fitondrana…
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Iaraha-mahita amin’izao fotoana izao

Card image cap
05-mars-2026

Nanao ranty fampahafantarana

Card image cap
05-mars-2026

mbola afaka mianatra

Card image cap
05-mars-2026

Nanolotra 68 miliara Ar ho an’i Toamasina ny Fanjakana Japoney

Card image cap